Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 27 Jolay 2010


Fivoriana mihiboka : Anisan’ireo nivory nihiboka nataon’ny «Sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika» tao Ambohidahy ny sabotsy teo ny Pastera Edouard, avy amin’ny ankolafy Zafy. Nambarany nifanaraka ny mpizaika fa Repoblika fahaefatra no hidirana, tapa-kevitra koa izy ireo hiaraha-miasa amin’ny Raiamandreny Mijoro sy ny «Coalition». Noresahina koa ny amin’ny lalampanorenana sy ny fananganana ny tetezamita hidirana amin’ny Repoblika faha-4. 

Dian-tongotra : Dian-tongotra hatrany amin’ny 50 km mahery no hataon’ireo mpitondra ny laza adina sy ny zandarimariam-pirenena any Vavantenina nanomboka vao nahaparitaka ny laza adina manerana ireo foibem-panadinana misy any an-toerana izy ireo. Noho ny haratsian-dalana ka tsy hahafahana mampiasa fiara no anton’izany.
 
Manara-maso : Ny Lycée Ranohavimanana sy Ceg Razaka samy ao Ambatondrazaka Faritra Alaotra Mangoro no nisantaran’ny ministry ny fanabeazam-pirenena Razafimanazato Julien ny fanaraha-maso tontosainy amin’ny fizotry ny fanadinana Bepc omaly. Mahatratra 19.156 ireo mpiadina nisoratra anarana miatrika izany any amin’ity faritra ity, miparitaka amina foibem-panadinana miisa 49. Ny renivohi-paritra no be mpiadina indrindra satria dia mahatratra 3.683 izany.
 
Tsenabe : Maresaka ny tsenabe tao Vondrozo omaly alatsinainy. Saika nifanisa tamin’ny isan’ny mpiantsena mantsy ny isan’ireo fiara vaventy tonga nitondra entana hamidy, ankoatra ireo nitatitra ny vokatra café. Tsy latsa-danja amin’izany ireo mpivarotra vatosoa sy volamena harena an-kibon’ny mampahalaza ity distrika ity.
 
Anosizato : Nihavitsy tsy ohatra ny mahazatra ireo mpivarotra tonga nivarotra teny amin’ny tsenan’ny tantsaha Anosizato atsinanana omaly alatsinainy maraina. Tsy fantatra mazava izay anton’izany. Ny hany feo re dia tsy maintsy hafindra toerana eny amin’ny tsenan’i Namontana izy ireo.
 
Fanadinana Bepc : Tsy niandry ela fa omaly alatsinainy 26 jolay hariva ihany dia efa nanomboka ny fitsarana ny fanadinana Bepc manerana ny Nosy. Amin’ny alalan’ny solosaina no hikirakirana ny naotin’ny mpianatra, fanomezana avy amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Nilamina ny andro voalohany omaly tamin’ny ankapobeny na dia maro ihany aza ireo mpiadina nisoratra anarana no tsy tonga.
 
Aretina : Mamely ny kohaka sy sery eto an-drenivohitra. Ireo ankizy latsaky ny dimy taona sy ireo efa zokinjokiny no tena voakasik’izany. Antony mahatonga ny aretina araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray ny fiovaovan’ny toetr’andro na dia miaina tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina aza isika. Avy orana indraindray, mafana ihany koa ary mivadika ho mangatsiaka izay ahiana hiteraka tazo mihitsy.
 
Foto-drafitrasa : Tranon-tsekoly vita amin’ny vato miisa roa samy manana efitrano roa no indray notokanana tamim-pomba ôfisialy tany amin’ny distrikan’i Vavantenina ny faran’ny herinandro teo. Samy nandaniana lelavola 40 tapitrisa Ar avy ny foto-drafitrasa. Fokontany roa no mahazo tombontsoa amin’izany dia ny fokontanin’i Mahatsara sy Anjanantana.
 
Fiarovana ny zon’ny sembana : Tafatsangana any Ambilobe ny komity hiahy sy hikarakara ireo olona manana fahasembanana any amin’ity distrika ity. Miisa 15 ireo mpikambana ao anatin’izany tarihin’ny filohany Andriamanonga Philbert. Fantatra nandritra izany fa hanao hetsika goavana ity komity ity mandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny sembana izay homarihina eto amintsika ny volana desambra ho avy io.
 
Delestazy : Hampiasa Groupe électrogène ny any Nosy Varika manomboka anio talata hitsarana ny taratasim-panadinan’ireo mpiadina tonga niatrika ny fanadinana Bepc. Tsy mbola nahitam-bahaolana ihany mantsy ny delestazy mianjady amin’ny mponina amin’ity distrika ity. “Baleine” iray efa simba kosa no natsipin’ny onjan-dranomasina tao Sakaleony ny faran’ny herinandro teo ka nifandrombahan’ny mponina nohanina.
 
Tambin-karamany : Omaly no fotoana voatondro nandoavana ny tambin-karaman’ireo sefo fokontany any amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo. Maromaro ireo efa nahazo ihany omaly maraina araka ny angom-baovao azo raha tsy vitsy ihany koa ireo mbola tsy nahazo.
 
Mitaraina : Tsy mbola naharay ny vacation-ny tamin’ny fanatontosana ny fanadinana Bepc taona 2009 ireo voakasik’izany any amin’ny distrikan’i Mananjary. Fantatra izany omaly, nandritra ny andro voalohany niatrehan’izy ireo indray ny asa tany an-toerana.
 
 48 taona : Renim-pianakaviana 48 taona no zokiny indrindra tonga niatrika ny fanadinana Bepc omaly tany amin’ny distrikan’i Manakara raha tovovavy kely 11 taona no zandriny indrindra. Nitombo 2% ny isan’ny mpiadina raha oharina tamin’ny taon-dasa. Izany dia noho ny fisian’ireo sekoly telo vaovao vao nosokafana any an-toerana.
 
Tsy voaloha : Tsy mbola nandray ny karamany sy ny tambin-karamany ireo mpiasam-panjakana any amin’ny distrikan’i Port-Bergé hatramin’ny omaly alatsinainy 26 jolay. Saika avy any amin’ny toerana saro-dalana avokoa anefa ny ankamaroan’izy ireo ary nandeha dia an-tongotra an-kilometatra maro vao tonga ao an-toerana. Noho ny tsy fahampian’ny vola hozaraina eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny fitehirizam-bola any an-toerana no anton’izany.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT