BEPC : Mpiadina miisa 205.299 no hiatrika ny fanadinana BEPC manomboka anio alatsinainy 26 jolay manerana ny Nosy. Hiparitaka amina foibem-panadinana miisa 668 izy ireo, mandritra ny hefarana. Nitombo 3,4 % ny mpiadina raha oharina tamin’ny taon-dasa. Vonona amin’ny fiatrehana izany ny ministera tompon’andraikitra amin’ny ankapobeny. Efa vonona toraka izany ihany koa ireo fitaovana raitra hikirakirana sy handraisana ny naotin’ny mpiadina.
Manantena : Manana fanantenana sy finoana ny amin’ny hivoahan’ny firenena Malagasy ao anatin’ny krizy ny antoko Maitso, Hasin’i Madagasikara. Antoka iray lehibe hahatongavana amin’izany, hoy i Saraha Goerget, filohan’ity antoko ity ny fahavitrihan’ireo antoko politika maromaro miara-mitady vahaolana toy ny misy eto amintsika ankehitriny.
Fotodrafitrasa : Fotodrafitrasa roa sosona no indray notokanana tao an-drenivohitr’i DIANA ny sabotsy 24 jolay teo. Anisan’izany ny trano fitaizana zaza mania ao Joffre Ville, mitentim-bidy 300 tapitrisa Ar. Mahazaka zaza 70 ny fotodrafitrasa, toby faharoa tantanan’ny fanjakana eto Madagasikara. Teo ihany koa ny biraon’ny polisin’ny ekonomika sy ny polisy “judiciaire” ary ny Commissariat, mitentina 450 tapitrisa Ar.
Tsenan’i Mahamasina : Hofoanana ihany koa araka ny fantatra ny tsenan’i Mahamasina. Ireo mpivarotra hani-masaka sy sakafo manta anaty fefy eo am-pitan’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena no tena voakasik’izany. Hafindra eny Namontana toy ireo mpivarotra eny Anosizato atsinanana izy ireo, araka ny resaka mandeha.
Fanomezana : Bodofotsy miisa 60 no nozaraina tamin’ireo zokiolona any Ambatolampy ny faran’ny herinandro teo. Nanolotra ny fanomezana ny trano fiantohana Aro any an-toerana tafiditra ao anatin’ny fankalazany ny faha-45 taona niorenany.
Mahasarika : Nahasarika tanora marobe tokoa tamin’ity taona ity ny handranto fianarana eny anivon’ireo sekoly teknika eto an-drenivohitra. Nifanotofana ny fanaovana fifaninanana hidirana ao amin’ny taona voalohany, tapa-bolana lasa izay, raha somary nihena ny eny anivon’ireo sekoly mampianatra ny fianarana amin’ny ankapobeny. Mbola olana anefa ny fahateren’ny fotodrafitrasa araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Tsy ampy ihany koa ny fitaovana ampiasaina no sady lafo vidy.
Amboaram-bavaka : Tontosa ny sabotsy lasa teo ilay hetsika amboaram-bavaka ho an’ny Malagasy nokarakarain’ny ministeran’ny mponina teny Antsahamanitra. Mbola tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny mponina ny hetsika, niarahana tamin’ireo antoko mpihira maro samihafa avy eny anivon’ny fiangonana sy ireo zaza beazina ao amin’ny Akany Anjanahary. Nisy ny vavaka ho an’ny sarangan’olona rehetra nandritra izany toy ny vehivavy, ny ankizy, ny zokiolona, ny sembana…
Fanabeazana : Namoaka ireo mpianatra andiany faha-30 misalotra ny anarana “Matotra” ny sekoly Sacré Coeur ao Toliara II. Ny faran’ny herinandro teo no nanatontosana ny lanonana izay nosantarina tamin’ny fotoam-pivavahana nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra. Ny ministry ny fizahantany sy ny asa tanana no reny mpiahy ireto andiany ireto izay nampanantena fa hiezaka hitady vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra nahazo naoty tsara indrindra.
Feno : Feno avokoa ny ankamaroan’ireo hotely sy trano fandraisam-bahiny ao an-drenivohitr’i Boeny araka ny vaovao voaray. Nanomboka ny volana mey lasa teo dia efa nisy ny famandrihan-toerana, indrindra ho an’ireo olona avy eto an-drenivohitra nisafidy ny hiala sasatra any an-toerana. Efa saika manokatra ny varavarany avokoa noho izany ireo sekoly sasantsasany afaka mandray vahiny hanomezana fahafaham-po ny mpiala sasatra.
17 taona : Feno 17 taona katroka afak’omaly sabotsy no nitondran’ny Epp ao Andriamangirana Antsohihy ny anarana hoe : Epp Philbert Tsiranana. Lasa tranom-bakoka ity sekoly ity ankehitriny ka anisan’ny handray anjara amin’ny fanatsarana sy ny fikarakarana azy ny “Institution Philbert Tsiranana”. Efa 109 taona ity sekoly ity ankehitriny.
Kara-tany : Kara-tany miisa 75.000 no henjehin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany amin’ity taona 2010 ity hisorohana ny ady tany sy hanampiana ireo tantsaha mpamokatra. Ny 40.000 isa amin’io no efa vita raha 1.251 no efa voazara. Anisan’ny mahazo tombontsoa betsaka amin’izany ny eto Antananarivo.
Fahombiazana : Fahombiazana no azo tamin’ilay tsenabe Fihaonana taona 2010, notontosaina tany amin’ny ditsrikan’Ambositra I, Faritra Amoron’i Mania. Kaominina 55 isa no tonga nandray anjara tamin’izany nampiranty sy nampiseho ireo asa tanana sy vokatra mampalaza azy. Ny Tranoben’ny tantsaha no nikarakara ny hetsika, notohanan’ireo zanaka am-pielezana avy eto an-drenivohitra. Narahina fanokanana ilay Telecentre vaovao ao an-drenivohitry ny faritra ny lanonana.
Tsy ho tara : Hovatsiana fitaovana raitra sy manaraka ny toetrandro ny Lycée ao Mampikony. Anisan’izany ny solosaina, hahafahan’ireo mpianatra manita-pahalalana. Ny tanjona moa dia ny tsy haha tompon-trano mihono azy ireo manoloana ny fandrosoana ny fivoaran’ny teknolojia.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.