Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 23 Jolay 2010


Rahonana : Mahazo fandrahonana ireo Ben’ny tanàna TIM any ambanivolo rehetra any fa raha tsy mandray anjara amin’ny Dinika santatra izy ireo dia hosoloina PDS avy hatrany. Mifanipaka koa ny filazan’ny mpikarakara, ao ny milaza fa mahaleo tena ireo iraka nalefan’ny Raiamandreny Mijoro sy ny “Coalition” hanomana sy ny hanatanteraka ny Dinika santatra eny anivon’ny distrika, any amin’ny toerana hafa anefa andrenesana fa miditra an-tsehatra ny lehiben’ny distrika amin’ny fandrindrana io dinika io. 

Dom-bera : Nanao fetibe dom-bera tao Ramena, Antsiranana II ry kolonely Balbine sy ny namany ny sabotsy 17 jolay teo. Nalaza tao Antsiranana tampon-tanàna io vaovao io. Samy manontany tena anefa ny rehetra. Hafaliam-po tamin’ny namoahan’i Andry Rajoelina azy avy any Tsiafahy ny 21 martsa 2009 ve io ? Toa tara loatra anefa raha izay satria efa herintaona sy tapany aty aoriana vao natao izany. Sa nisy fanondrotana grady tany ? Izy anefa tsy nahazo famotsoran-keloka fa famindram-po ihany no azony hatreto. Ka fety inona ary izy ity ?
 
Manenina : Manenina tamin’ny zava-bitany ireo mpivarotra amoron-dalana izay nanamaro isa ireo olona tonga nigrevy teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny volana janoary 2009. Mahatsiaro ho sahirana mantsy izy ireo amin’ny fanenjehan’ny polisin’ny tsena azy raha nomena toky teny am-piandohana fa afaka higalabona sy hivarotra eny rehetra eny.
 
Asan-dahalo : Vehivavy bevohoka iray no maty voatifitry ny dahalo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohitromby, distrikan’i Fenoarivobe ny alatsinainy alina lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora. Teo am-piakarana ny tohatra hihazo ny rihina ambony ity Renim-pianakaviana ity no voatifitra raha noheveren’ireo dahalo fa hiantso olona hisakana azy ireo.
 
Valala : Efa tonga any amin’ny distrikan’i Mandoto (Vakinankaratra) amin’izao fotoana ny valala. Faritra roa no efa rakotra araka ny vaovao voaray ka mampiantso vonjy ireo tantsaha mpamokatra. Tsy mbola nisy hatreto ny fandraisana andraikitra nataon’ny fitondrana FAT.
 
Tsy afa-nanoatra : Na dia faly noho ny fahazoany ny laharana voalohany tamin’ny voka-panadinana Cepe 100 % taona 2010 aza ny Epp ao Tanjondava kaominina Talatamaty dia tsy afa-nanolotra fanomezana kely akory toy ny mahazatra ho an’ireo mpianany niatrika izany. Tsy nandray vola fanampiana ny ray aman-drenin'ny mpianatra avy amin’ny fanjakana (FAF) intsony mantsy ireo mpampianatra ao an-toerana nanomboka tamin’ity taona 2010 ity.
 
Feno 45 taona : Mankalaza ny faha-45 taona niorenany teto Madagasikara ny trano fiantohana Aro. Fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpiasa nahavitabe sy fanaovana asa soa no nentin’ny trano fiantohana Aro ao Antsirabe nanamarihana izany omaly.
 
Voarara : Tsy azo atao intsony ny manarato ny hazan-dranomasina horita latsaky ny 350 g any Sainte-Marie. Nanomboka ny 21 oktobra taona 2005 no nivoahan’io didy io saingy tsy voahaja. Ahiana ho lany ringana ny horita any amin’iny faritra iny, araka izany.
 
Fanabeazana : Nanao hetsika sy nampihatra ilay tetikasa fanabeazana olom-pirenena vanona ny tany amin’ny distrikan’Anjozorobe ny talata lasa teo. Nisy ny fampisehoana nandraisan’ny mpianatra anjara ankoatra ny fanazavana narahina adihevitra nanasana ireo mpanabe sy Ray aman-drenin’ny mpianatra.
 
Fotodrafitrasa : Raikitra ny asa fanamboarana ny tranompokonolona ao Mahitsy taorian’ny fiatoan’ny asa nandritra ny volana maromaro. Raha tsiahivina dia nosoketaina ho ny Ben’ny tanàna no nihinana ny vola tamin’ny asa fanamboarana ity Tranompokonolona ity, volana vitsy lasa izay. Tsy izay anefa no zava-nisy. Voatery niato mantsy ny asa noho ny krizy teto amin’ny firenena. Ny fitondrana teo aloha no nikasa hanatontosa ny asa saingy iny niaraha-nahita iny ny zava-nitranga.
 
Fanamboaran-dalana : Hanamboarana ireo lalan-dratsy rehetra ao aminy ny FDL na Tahiry ho fampandrosoana eny ifotony, ho an’ny kaominina ambonivohitra Fenoarivo Atsinanana. Omena tombony amin’izany ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana amin’ny alalan’ny asa tana-maro. Olona 100 isan’andro no manao ny asa, sandaina 2.000 Ar isan’olona isan’andro.
 
Eka : Ny Ezaka Kopia ho an’ny Ankizy na ny EKA no malaza any amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Niatrika fiofanana mikasika izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana nanomboka omaly. Ny tanjona dia ny hampahomby ny hetsika ka samy hahazo tombontsoa avokoa ny ankizy madinika sy ireo olon-dehibe tsy mbola manana kara-panondrom-pirenena.
 
Mikolay : Mampitaraina ny mpandalo ny fitohanan’ny fiarakodia eny Andohatapenaka eny rehefa hariva ny andro. Maharitra ora roa any ho any no hanaovana ny lalana mirefy 50 m. Samy tsy te ho tara avokoa mantsy na ny avy any Ivato na ny avy any Anosizato. Toraka izany koa ny avy any amin’ny 67 ha izay saika mpiasa nirava avy any am-piasana avokoa ny ankamaroany.
 
Tsy laitra akisoka : Raha tsy mahita haleha intsony ireo mpivarotra amoron-dalana eny Tsaralalana dia tsy manaiky hiala amin’ny toerany kosa ny eny Behoririka. Vao mainka mitombo isa izy ireo ary mila ho tonga hatrany afovoan’ny arabe mihitsynanomboka omaly.
 
Tapitra : Tapitra hatreo ny fanomezana ody vavony ho an’ireo mpianatra eny anivon’ny Epp ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana. Nifarana ny herinandro lasa teo izany rehefa naharitra 12 herinandro. Tapitra toraka izany ihany koa ilay tetikasa fampianarana ny zaza hanasa tanana, niandraiketan’ireo Ong maro samihafa. Tsiahivina fa nahatratra 80% ny voka-panadinana Cepe ho an’ny distrikan’i Toamasina iray manontolo.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT