Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 22 Jolay 2010


Fifandraisana : Mitaraina noho ny tsy fahafahan’izy ireo mampiasa finday ny mponina any amin’ny distrikan’i Toliara II. Tsy fantatra mazava izay anton’izany araka ny vaovao voaray. Toraka izany koa ny tsy fisian’ny rano fisotro madio. Maloto hatramin’ny rano vokarin’ny Jirama. 

Tontolo iainana : Fanabeazana ny ankizy hanome lanja ny tontolo iainana. Io no tanjon’ny “Action sans Frontière” sy ny Fondation Tany Meva ary ny Guanomad amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao. Tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasimpotsy, distrikan’i Vatomandry no nanombohan’izy ireo ny hetsika ny fiandohan’ny herinandro teo.
 
Ezaka goavana : Hosokafan’ny ministeran’ny fahasalamana avokoa ireo tobim-pitsaboana efa nikatona vokatry ny tsy fisian’ny mpitsabo sy ny tsy fahampian’ny fitaovana manerana ny Nosy. Omena fiofanana ihany koa ny mpitsabo izay ezahina haparitaka any amin’ireo faritra lavitra andriana, ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka. Io no fanamby hapetraky ny ministry ny fahasalamana vaovao. Efa misy, araka ny fanazavana azo, ny tetibola voatokana ho amin’izany.
 
Tazonina : Manao ezaka goavana entina hitazonana ireo mpizahatany vahiny mandalo ao aminy ireo mpandraharaha mitantana trano fandraisam-bahiny any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy iny amin’izao fotoana. Tsy latsa-danja amin’izany ireo mpanao asa tanana izay tsy mikely soroka manatsara ny kalitaon’ny vokatra vokariny.
 
Fitaovana politika : Tsy tokony hatao fitaovana politika intsony ny vehivavy satria manana ny maha izy azy. Io no nambaran’ny filohan’ny fikambanam-behivavy any amin’ny faritra Amoron’i Mania raha nanentana ireo namany tsy ho voarebireby amin’ny resa-politika ny tenany ny talata teo.
 
Mpivarotra : Tsy nanan-kaleha intsony nanomboka omaly ireo mpivarotra amoron-dalana manodidina an’Analakely. Saika nahitana ireny fiaraben’ny kaominina ireny avokoa mantsy teny amin’ny manodidina teny niandry ireo mpivarotra mihoa-pefy. Polisin’ny tsena maromaro noho izany no voatery nihetsika toy ny hita teny Tsaralalana.
 
Fifaninanana : Hisokatra tsy ho ela ny fisoratana anarana amin’ilay fifaninanana “Trophée des Jeunes Agriculteures” karakarain’ny banky Bni Madagascar sy ny vondrom-barotra Orange Madagascar. Ireo tantsaha mpandraharaha eny anivon’ny tontolo ambanivohitra no voakasik’izany ho fampiroboroboana ny sehatra misy azy ireny.
 
Ady tany : Miha mahazo vahana ny resaka ady tany any amin’ny faritra SAVA any. Hisy ny fepetra horaisin’ireo tompon’andraikitra any an-toerana manoloana izany. Fivoriana sy fikaonandoha no nisantarana izany ny talata teo.
 
EKA : Kaominina dimy ao anatin’ny distrikan’i Maintirano, faritra Melaky no hahazo tombontsoa amin’ilay Ezaka Kopia ho an’ny Ankizy na ny EKA. Tafiditra ao anatin’izany ireo olon-dehibe tsy mbola manana kara-panondro.
 
Fifamoivoizana : Nisokatra ny talata lasa teo ny zotram-piaramanidina vaovao mampitohy ny distrikan’i Maroantsetra amin’ireo faritra efa manodidina azy. In-droa isan-kerinandro no ahitana izany any an-toerana izay mbola santatra am-bava rano ihany.
 
Fiofanana : Miatrika fiofanana amin’ny fanatontosana ilay Ezaka Kopia ho an’ny Ankizy na ny eka ny any Fenoarivo atsinanana any. Hampitaina amin’ny mpiofana mandritra izany ny toromarika rehetra, ny maha zava-dehibe ny fananana kopia mari-pahaterahana sy ny kara-panondrom-pirenena mba hahazoam-bokatra mahomby. Mitarika izany ny lehiben’ny distrika Raharinivo Lalao.
 
Manana traikefa : Ireo tantsaha mpamokatra ao amin’ny kaominina ambanivohitra Morona no tena manana traikefa, indrindra amin’ny fahandroana lavanila manta any Maroantsetra. Mahazo vahana tanteraka izy amin’izao fisokafan’ny tsenan-davanila izao izay irian’izy ireo hampivoatra haingana ny faripiainany.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT