Antontan’isa : Nifarana omaly rehefa naharitra roa andro ilay atrikasa nokarakarain’ny Instat tany amin’ny faritra Menabe momba ny antontan’isa hiahiana ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina sy ny lafiny fampandrosoana. Ny tanjona moa dia ny mba hananan’ireo tompon’andraikitra any an-toerana ny antontan’isa azo antoka hahafahan’izy ireo mampiasa izany araka izay ilany azy.
Grevy : Somary niato kely nanomboka afak’omaly ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ambaratonga ambony politeknika Vontovorona, taorian’ny fitokonana nataon’izy ireo ho fanohanany ireo mpampianany. Na izany aza tsy mbola nitohy ny fampianarana. Nangina tanteraka ny teny an-toerana omaly. Ny hany fantatra dia hisy ny fihaonambe hotontosain’ny mpianatra sy ny mpampianatra ato ho ato hahafahan’izy ireo mamaritra izay mety ho tohin’ny hetsika hataony.
Misy ambadika : Tsy mazava intsony hatreto ny fandehan-javatra mikasika ilay fibodoana ny tanin’ny advantista ataon’ny fikambanana Mifamelona, ivondronan’ireo olona miisa 500 eny Soamanandrariny. Araka ny tsiliam-baovao azo mantsy dia navoaka ny alahady lasa teo ihany ireo olona telo voasambotra teny an-toerana taorian’ny famotorana natao tamin’izy ireo.
Fotodrafitrasa : Nanangana sekoly ho fitsinjovana ireo mpianatra voatery mandeha an-tongotra lavitra ny fikambanan’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny fokonolona ary ny kaominina Manalalondo. Tamin’ny alalan’ny fanangonam-bola no nahafahan’izy ireo nanatontosa ny asa.
Misy tanàna : Lasa misy tanàna ankehitriny ao Ampandranobe, distrikan’i Fenoarivobe, toerana fandalovan’ny dahalo itondrany ireo omby halatra avy any amin’ny faritra andrefana. Olona 1.000 no lasa nifindra monina any an-toerana, mivondrona ao anatin’ilay fikambanana antsoina hoe : Vohijafy. Somary nangingina ny asan-dahalo vokatr’izany na dia efa nampiraviravy tanana ny mponina aza.
Rofia : Hotontosaina ny alakamisy 22 jolay ho avy io any Besalampy ilay “challenge raphia 2010” handraisan’ireo kaominina miisa valo anjara. Ho hita mandritra ny hetsika ireo karazan-dalao fifaninanana ara-panatanjahantena toy ny baskety baolina…ankoatra ny fifaninanana vako-drazana entina hamohazana ireo dihin’ny Ntaolo. Hanamafisana ny fifankatiavana sy ny firaisankinan’ny mponina no tanjona.
Fiofanana : Hifarana ny 31 jolay ho avy izao ny fiofanana manokana mikasika ny sary sy ny teknika samihafa manodidina azy. Etsy amin’ny CCAC Analakely no hanatontosana izany. Nanomboka ny 12 jolay lasa teo ny hetsika.
Lozam-pifamoivoizana : Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny Fasan’ny karana ny alatsinainy alina tokony tamin’ny 7 ora tany ho any. Lehilahy iray nitondra moto scooter no nifandona tamina sarety iray nitondra hazo madrier avy eo alohany. Vokany, nipitika niala teo amin’ny toerany ilay lehilahy nitondra ilay moto rehefa jambena ka tsy nahita intsony ilay hazo lavabe nivoaka teo ivelan’ilay sarety.
Nihena : Nihena 9 % raha oharina tamin’ny taon-dasa ny voka-panadinana Cepe ho an’ny distrikan’i Vavatenina. 61,71% ny salam-pahafahana ho an’ireo mpiadiana manerana ireo Zap 10, nahafahana mpiadina 3.000 isa tamin’ireo 5.502 tonga niatrika ny fanadinana.
Mozika Rock : Mpanakanto efatra mpiangaly ny mozika rock indray izao no hiaka-tsehatra etsy amin’ny Tranompokonolona Isotry ny 31 jolay ho avy io. Famelomana indray ny mozika mavesatra «heavy metal» no anisan’ny antony hanaovan’izy ireo izao hetsika izao, araka ny fanadihadiana natao.
Miavaka : Ho avy eto Madagasikara i La Fouine ny volana septambra ho avy izao hanolotra fampisehoana miavaka sy tokana. Mpanakanto frantsay mpihira mozika Rap ny lehilahy koa inoana fa hanaitra ny sain’ny tanora maro. Ny kintana production moa no misahana ny fikarakarana.
Milamina : Mizotra araka ny tokony ho izy amin’ny ankapobeny ny fiatrehan’ny mpiadina eny anivon’ny lycée teknika ilay fanadinam-panjakana Brevet d’Etudes Professionnelles manerana ny Nosy. Hifarana rahampitso alakamisy izany rehefa naharitra hefarana. Miisa 3.864 ireo mpiadina niatrika izany miparitaka amina foibem-panadinana miisa 39.
100% : 100 % ny voka-panadinana Cepe ho an’ny sekoly tsy miankina Tsaramanasoa Itaosy, kaominina Ambavahaditokana. Afaka avokoa ireo mpiadina miisa 23 niatrika izany, ahitana vehivavy voafonja iray 22 taona, miaraka amin’ny zanaky ny voafonja namany miisa fito.
Tetezan’Ampasika : Raha ny ilany havanana ihany no nisy mpivarotra teo aloha teo amin’ny tetezana eo Ampasika iny dia efa misy koa ny ilany havia raha avy aty 67 ha ho any Itaosy. Karazan-tsakafo toy ny legioma sy ny haninkotrana no eny am-pita. Karazana fanaka tonta toy ny farafara, seza fampiasa amin’ny tranombahiny, fitoeran’akanjo… no mameno ny sisin’arabe amn’ny ilany. Miafiafy tanteraka ny mpandeha an-tongotra amin’izao.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.