Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 20 Jolay 2010


Nodimandry : Nodimandry ny alahady alina teo, tokony ho tamin’ny 9 ora tany ho any, teo amin’ny faha-50 taonany ny Ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Ilaka Atsinanana, distrikan’i Vatomandry, Zafilahy Gervais. Teo am-pitsaboan-tena tao amin’ny hôpitalibe ity Ben’ny tanàna ity no izao nindaosin’ny fahafatesana izao rehefa tratry ny aretina tampoka. 

CENI : Nanao ny fianianany teo anatrehan’ny Filankevi-panjakana omaly alatsinainy 19 jolay 2010 i Jean de Dieu Raveloson, mpikambana vaovao eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI. Izy no misolo toerana an’i Jean, izay voatendry ho Ministry ny atitany nanomboka ny 24 mey 2010.
 
Tsy fanjarian-tsakafo : Tonga nanara-maso ny fari-piainan’ny mponina ao anatin’ireo kaominina telo any amin’ny distrikan’i Mananjary ny fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny sakafo (PAM) sy ny vondrona iraisam-pirenena momba ny sakafo (FAO) ny faran’ny herinandro teo. Hetsika tafiditra ao anatin’ny asa sahanin’izy ireo momba ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Fantatra nandritra izany fa efa miroso amin’ny fanivanana volamena ny kaominina iray amin’ireo telo ireo ankehitriny entin’ny mponina hanatsarana ny fidiram-bolany.
 
Tsy afaka hanapa-kevitra: Araka ny fantatra dia tsy ho afaka hanapa-kevitra samirery mikasika ny famoaham-bola tokony hataony intsony ny Kaominina rehetra manerana ny Nosy manomboka izao raha tsy mandalo eny anivon’ny distrika. Ny hahafahana manatanteraka izany araka ny fantatra no antony nivorian’ireo lehiben’ny distrika teny amin’ny ENAM Androhibe, tapa-bolana lasa izay.
 
Arahi-maso: Mandeha ny feo tato ho ato fa ho avy tampoka toy ny mpangalatra hijery sy hanara-maso ny vola miodina eny anivon’ny kaominina tsirairay avy ny fitondrana FAT. Efa maromaro ireo kaominina nahazo fampandrenesana saingy tsy mbola nisy ny voasava hatreto. Ny tsy fantatra mazava dia izay ao ambadik’izany izay mampametra-panontaniana ny maro.
 
Voalavo : Mirongatra ny voalavo any amin’ny kaominina Antanambao Mahatsara, distrikan’i Vatomandry. Tapitra tsy misy miangana ny vokatra noho izany na an-tsaha na an-tanàna. Manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany ny mponina any an-toerana mba hijery akaiky ny zava-misy.
 
Mafotaka : Mafotaka ny fanenjehan’ireo polisin’ny tsena ireo mpivarotra amoron-dalana manodidina an’Analakely sy Behoririka iny hatramin’ny omaly. Miaraka amin’ny “mangabe”, ilay fiarabe mpandroaka entana izy ireo mandritra izany no sady mihorakoraka sy manaitra ireo mpivarotra mbola variana.
 
Hentitra : Hentitra amin’ny fanaraha-maso ireo entana mivoaka sy miditra ao anatin’ny faritra hiadidiany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any amin’ny distrikan’i Sambava. Hazo sarobidy miisa 200 no sarona ny herinandro lasa teo vokatr’izay fanaraha-maso izay. Mitohy ny asa ary mbola hitohy hatrany araka ny vaovao voaray hahafahana miaro ireo valan-javaboary any an-toerana.
 
Kara-tany : Kara-tany 79 isa be izao no indray nozaraina tamin’ireo tantsaha any Brickaville ny faran’ny herinandro lasa teo. Kara-tany hahafahan’izy ireo miaro ny tany novoleny, indrindra amin’izao fotoana mampafampana ny ady tany izao.
 
Kabary : Mpianatra kabary 18 mianadahy, misalotra ny anarana “Fanjava” no navoaka tamim-pomba ofisialy tany Marovoay ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny FIMPIMA Mahajanga no tompon’antoka tamin’ny fanofanana, naharitra amam-bolana. Latsaky ny 16 taona no zandriny indrindra tamin’izy 18 mianadahy ireto.
 
Hain-trano : Trano 10 be izao no indray kilan’ny afo tany Ambalafary, Farafangana ny faran’ny herinandro teo. Vokatry ny tandrevaka nataona tokantrano iray no nahatonga ny loza araka ny angom-baovao azo. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy saingy ny entana no lasa lavenona ankoatra ireo lasan’ny mpanararaotra.
 
Fitaovam-pianarana : Efa tazana miparitaka eny rehetra eny sahady ireo mpivarotra fitaovam-pianarana nanomboka tamin’ity herinandro ity na dia maro amin’ireo sekoly tsy miankina aza no tsy mbola vakansy. Manodidina ny 6.500 Ar ny iray fonosana amin’ny kahie 50 pejy raha 7.000 Ar mahery kosa ny kahie 100 pejy.
 
Kitapo vita sinoa : Miparitaka eny Analakely indray izao ny kitapo vita sinoa amin’ny vidiny 500 Ar. Tsy vitsy ireo Renim-pianakaviana manan-janaka madinika no mihohoka sy mifandrombaka izany indrindra rehefa alahady hariva iny. Betsaka ireo kitapo mbola tsara raha mazoto mifantina.
 
Maizina ny tanàna : Maty avokoa ny jiro an’elanelan-trano eny amin’ny faritra Anosipatrana eny amin’izao fotoana. Raha ny fanazavana azo dia iniana donina mihitsy ny andrin-jiro dia maty ny takamoa. Endrika iray mamparisarisa ny fandriampahalemana io eny an-toerana.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT