Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 19 Jolay 2010


Fanokafana : Tontosa tao amin’ny Fjkm Atsimon’i Mahamasina ny alahady 18 jolay ny fanokafana ny fanamarihana ny faha-40 taona naha mpitandrina an-dRakotomanana Jean Roussel sy ny faha-35 taona nitandremany tao amin’io fiangonana io. Fiangonana anisan’ireo tsy nampiantrano ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana na koa ny fitrotroana am-bavaka ny firenena nataon’ny Fjkm foibe tamin’ny fotoana nampamaivay ny raharaham-pirenena ny taona 2009, izay marihina fa dia ny filohan’ny Fjkm Rasendrahasina Lala Haja, Mpitandrina, mihitsy aza no niharan’ny herisetran’ny miaramila mpikomy tamin’izany. 

Fahombiazana : Fahombiazana tamin’ny ankapobeny no azon’ny ministeran’ny fizahantany sy ny asa tanana nandritra ilay foaraben’ny asa tanana “Sehatra 2010” notontosaina tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina izay nifarana omaly. Nihoatra noho ny isan’ireo olona nandrasana no tonga nitsidika ireo tranoheva ankoatra ireo mpizahatany vahiny. Fizarana loka ho an’ireo nandray anjara no namaranana izany.
 
Cepe : Nivoaka omaly hariva ny voka-panadinana 6ème raha ny sabotsy ny Cepe ho an’ny faritr’Itaosy sy ny manodidina. Nihena hatrany amin’ny 20% ny 6ème raha oharina tamin’ny Cepe. Ireo ankizy efa namerin-kilasy no tena voakasik’izany raha vitsivitsy kosa tao amin’ny taona fahefatra nifindra ho taona fahadimy.
 
Sarona : Vokatry ny ezaky ny mpitandro ny filaminana any Maevatanana dia sarona ny sabotsy lasa teo tany an-toerana ireo andian-jiolahy nanafika ny orinasa Soctam ny fiandohan’ny volana jona lasa teo.
 
Fotodrafitrasa : Tetezana miisa enina no indray notokanana tamim-pomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo tany amin’ny kaominina Manajala, distrikan’i Sambava. Tetezana hahafahan’ireo tantsaha mifamezivezy sy mifanakalo vokatra toy ny vary, ny kafe, ny lavanila ary ny jirofo.
 
Tsenan’ny tantsaha : Hisokatra ato ho ato, araka ny angom-baovao azo, ny tsenan’ny tantsaha ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra hanampy ny efa misy ao amin’ny tsenan’Asabotsy. Nambaran’ny lehiben’ny faritra anefa fa anjaran’ny Kaominina ambonivohitr’Antsirabe no manao ny fandaminana rehetra raha anjaran’izy ireo kosa no miantoka ny famitana ny fotodrafitrasa.
 
Vonoan’olona : Tovolahy iray 32 taona, antsoina hoe : Michel Daniel no maty notsatohin’olon-tsy fantatra tamin’ny antsy ny faran’ny herinandro teo tany Andranomena, distrikan’i Boriziny Vaovao. Eo am-pitadiavana izay nahavanon-doza ny mpitandro ny filaminana.
 
Sekoly : Nahazo tranon-tsekoly fanampiny mirefy 18 amin’ny 9 m ahitana efitra telo ry zareo eo anivon’ny kaominina Antanandava, distrikan’i Toamasina II. Ny tetikasa Ambatovy no nanao ny trano ho solon’ilay tranon-tsekoly teo aloha voatery noravana tafiditra tao amin’ny faritry ny taniny. Tao anatin’ny telo volana no nanatontosana ny asa miaraka amin’ny trano natokana ho an’ny mpampianatra, ny trano fidiovana ary ny lavapiringa.
 
Tsara ihany : Tsara ihany tamin’ny ankapobeny ny voka-panadinana Cepe ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Andramasina. 36,80% ny taham-pahafahana izay nitombo 4% raha oharina tamin’ny taon-dasa. Ny sabotsy teo no nivoaka ny voka-panadinana.
 
Zokiolona : Mangataka ny hanomezana kara-maitso azy ireo ireo zokiolona any Bealanana. Hangatahany toraka izany ihany koa ny mba hananan’izy ireo trano hialana voly sy hivoriana. Mikasika ny lafiny fampandrosoana kosa dia mbola olana ho an’ireo mponina any an-toerana ny rano fisotro madio sy ny tsy fahampian’ny herinaratra vokarin’ny Jirama.
 
Lapan’ny fitsarana : Hotokanana ny alakamisy ho avy io ilay lapan’ny fitsarana vaovao any Antsohihy, hitambaran’ity distrika ity sy Bealanana. Tompon’andraiki-panjakana maro no ho avy hanatrika sy hanome voninahitra ny fotoana.
 
Mila fanajariana : Ny fitantanana ny rano izay ilana tohodrano vaovao no mbola olana ho an’ny lemak’Iazefo, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ka tsy hahafahan’izy ireo mamoka-bary betsaka. Tanimbary mirefy 5.000 ha no voakasik’izany mamelona mponina an’aliny
 
 
Olona dimy no maty : Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona dimy teny Ambatofotsy ny sabotsy antoandro tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any. Fiara 4x4 iray no nifandona tamina taxi-brousse iray feno olona avy any Ambohimiadana. Notombanan’ny olona ho mamo ny mpamilin’ilay taxi-brousse, araka ny fantatra, satria nahitana tavoahangina “gold” iray teo aminy. Ankoatra ireo namoy ny ainy ireo dia olona fito no fantatra fa naratra mafy.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT