Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 16 Jolay 2010


Vavaka : Hisy fitrotroana am-bavaka ireo mpitandrina valolahy izay ataon’ny FAT hazalambo amin’izao fotoana izao, hatao eny amin’ny Fjkm Filadelfia Ambohimanandray rahampitso sabotsy 17 jolay, manomboka amin’ny 10 ora sy sasany maraina. Hiara-hiombom-bavaka amin’izany ny zanaky ny fiangonana itandreman’ireo mpitondra fivavahana ireo sy ny kristianina maro. 

Miparitaka : Tazana miparitaka eny rehetra eny amin’izao fotoana ireo menaka tsy mbola voadio ary tsy tokony mbola hampiasaina akory novokarin’ny orinasa Tiko. Manodidina ny 3.000 Ar no hamarotan’ny mpivarotra ny iray litatra, araka ny fantatra. Entanina, araka izany, ny isan-tokantrano mba hanara-maso ny menaka hamidy eny an-tsena vao mividy.
 
Tsy mbola hita faty : Tovolahy iray 15 taona, mpianatra avy any Antanifotsy Antsirabe no lasan’ny ranomasina tany Mahambo, distrika Antanambao Manampontsy ka tsy mbola hita faty hatramin’izao. Ny 10 Jolay lasa teo no nitrangan’izany. Nanao voyages d’études moa araka ny fantatra no anton-dian’ity tovolahy ity sy ireo iray kilasy aminy kinanjo fahafatesana no hita.
 
Bakalôrea : Tsy mbola manana foibem-panadinana bakalôrea hatramin’izao ny any amin’ny distrikan’i Fenoarivobe. Voatery miakatra aty an-drenivohitra avokoa ny mpianatra mandritra ny fanadinana noho izany ka mampitaraina ny ray aman-dreny maro.
 
Delestazy : Mahery vaika ny delestazy any Nosy Varika any. Sahiran-tsaina amin’ny fitsarana ny fanadinana Cepe ireo tompon’andraikitra any an-toerana noho izany. Ny tapak’andro maraina ihany no misy jiro any an-toerana. Miahaka kosa ny mpitsara ny tapak’andro hariva raha tokony hampiditra ny naoty ao anaty solosaina.
 
Nisetrasetra : Tovolahy iray sahabo ho 25 taona no nisetrasetra tamina fiara mazda taxi-be laharana 151 mampitohy an’Androndra sy 67 ha afak’omaly hariva ka namaky ilay fitaratra lehibe eo amin’ny varavarana fidirana sy fivoahan’ny mpandeha iny. Niezaka nitsoaka ilay tovolahy noho izany saingy tratra ihany vokatry ny fifanampian’ny manodidina. Nentina avy hatrany tany amin’ny tompon’ny fiara ilay ranamana ka natolotr’iretsy voalohany ny manam-pahefana.
 
 Nilamina : Nilamina tamina ankapobeny ny fiatrehan’ireo mpiadina ny fanadinana andrana hidirana eny anivon’ireo Lycée teknika manerana ny Nosy. Anio no hifarana izany raha omaly no nanomboka. Ho an’ny teto an-drenivohitra manokana dia tonga nanara-maso ny fizotry ny fanadinana tetsy amin’ny LTC Ampefiloha ny ministra tompon’andraikitra no sady nitafa fohy tamin’ny mpiadina.
 
Farihin’i Masay : Mitohy hatrany ny fanjonoan’ireo andian’olona trondro maloto etsy amin’ny farihin’i Masay na dia mamirifiry aza ny hatsiaka. Vao maraina dia efa misy manjono ny eny amin’ny manodidinaizay miandahy miambavy mihitsy. Toa tsy misy mpanara-maso sy mpisakana intsony izy ireo araka ny fantatra na dia hita izao aza fa mivarotra trondro maloto sy mamitaka vahoaka.
 
Mbola marefo : Mbola marefo ny toekarena ho an’i Maevatanana. Nisy ny dinika narahina fifanakalozan-kevitra notontosain’ireo delegasiona avy any an-toerana tany Amparafaravola nanomboka afak’omaly alarobia hoenti-manarina izany. Mamoaka volamena 30 Kg isam-bolana ity distrika ity araka ny fantatra saingy tsy dia misy fiantraikany loatra amin’ny fampandrosoana ny faritra izany. Toraka izany koa ny vary milanja 6 taonina isaky ny ha izay tsy misy fiantraikany amin’nyfiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny.
 
Efa nivoaka : Nivoaka afak’omaly alina ny voka-panadinana Cepe sy 6e ho an’Andoharanofotsy, ao anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano. 40 tamin’ireo mpiadina tonga niatrika ny fanadinana miisa 900 no tsy afaka, manome salan’isa 95,2¨%. Tsara dia tsara tokoa ny vokatra amin’ny ankapobeny satria nitombo 8,60% ny salam-pahafahana raha noharina tamin’ny taon-dasa.
 
Mihitsoka : Mihitsoka ny fitsarana ny fanadinana Cepe any Fenoarivo Atsinanana. Noho ny fahasimban’ireo solosaina hikirakirana ny naoty avy amin’ny ministera no anton’izany araka ny vaovao voaray.
 
Tsara : Tsara ny voka-panadinana Cepe ho an’ny distrikan’i Port-Bergé. 731 tamin’ireo mpianatra nisoratra anarana miisa 1.100 no afaka soa aman-tsara manome salan’isa 67,9%.
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT