Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 15 Jolay 2010


Voalohany : Nivoaka afak’omaly talata ny voka-panadinana Cepe ho an’ny distrikan’Ikalamavony. 93,29 % ny taham-pahafaham-panadinana araka ny vaovao voaray. Ity distrika ity moa no distrika voalohany namoaka ny vokatra ho an’ny DREN Matsiatra Ambony. Toy izany koa ny any amin’ny distrikan’i Marinarivo Itasy. Efa nivoaka ny tao amin’ny ZapI sy II. Raha ny voalaza dia tsara ny vokatra. Ny tao amin’ny Epp Ampaisokely, ohatra, dia 40 no tokony ho nanala, iray tsy nanatrika, roa no tsy afaka. 

Asa any Liban : Vehivavy iray 29 taona miasa amina dokotera iray any Liban no nitaraina an-telefaonina tamina radio tsy miankina iray eto an-drenivohitra omaly maraina mikasika ny fampahoriana ataon’ny mpampiasa azy aminy. Sivy volana ity vehivavy ity no niasa tany Liban. Am-pitaka no nialany teto an-tanindrazana araka ny fantatra satria tany Maorisy no nifanarahana.
 
Anosibe : Sarety iray feno vary no nandona fiara Renault Express kely iray teo aloha teny Anosibe afak’omaly alina. Nandeha teny amin’ny “voie rapide” ity sarety ity nandritra izao fifandonana izao fa tsy tamin’ny lalana tokony halehany.
 
Fiaraha-miasa : Tontosa afak’omaly ny sonia fifanekem-piaraha-miasa eo amin’ny fikambanana sosialy momba ny marary sy ny Consulat de Monaco. Fiaraha-miasa izay hiompana amin’ny fanolorana fitaovana sy kojakoja samihafa ka sampandraharaha eo anivon’ny hopitaly Hjra no efa nahazo sahady ny anjarany. Anisan’izany ny sampandraharaha misahana ny aretina homamiadana sy ny vonjy taitra. Avy any amin’ireo hopitaly any Eoropa ny fitaovana natolotra raha ny Consulat de Monaco kosa no niantoka ny fitaterana.
 
An-tsokosoko : Vehivavy 300 isa indray izao no fantatra fa niondrana an-tsokosoko any Liban taorian’ny fanakatonana ny fandefasana mpiasa any amin’ity firenena ity notanterahin’ny fitondram-panjakana. Tonga nitaraina teo anivon’ny ministeran’ny mponina ny fianakavian’izy ireo afak’omaly ho fiarovana ny ainy.
 
 800 isa : Asa miisa 800 izay saika niompana tamin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny fiahiana ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina no vitan’ny FID nanomboka ny taona 1993 ka hatramin’ny taona 2008 lasa teo. Mitentina 271 tapitrisa dolara no lelavola lany tamin’izany raha manodidina ny 600 isa kosa ny sehatra niasany.
 
Lalana : Lalana mirefy 13 km mampitohy ny fokontany Ramena amin’ny manodidina azy no hasiam-panarenana any amin’ny kaominina ambanivohitra Toamasina. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny fandaharan’asa PPRR no angady nananana sy vy nahitana izany. Ankoatra ny lalana dia nasiam-panamboarana ihany koa ilay tetezana iray ao an-toerana izay nampitaraina ny mponina hatramin’izay.
 
Mponina : Mitohy ny fankalazan’ny ministera tompon’andraikitra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mponina. Tao Anosipatrana afak’omaly no nanoloran’ny ministera fanampiana ho an’ny fikambanana FIAMA, fikambanana iray misahana ny fampiroboroboana ny varotra.
 
Maloto : Miparitaka ny diky ao Analakely na dia efa voasolo aza ilay toeram-pivoahana narodan’ny fitondrana FAT niorina tao ambadiky ny Lapan’ny tanàna. Andrenesana fofona avokoa vokatr’izany ny manodidina, indrindra fa eny amin’ireo faritra takotakona.
 
Lions Club : Hitety ireo faritra lavitra andriana hijery sy hanentana ireo ankizy tsy mbola vita vaksiny fanefitry ny kitrotro ny fikambanana Lions Club manerana ny Nosy mialoha ny 25 ka hatramin’ny 30 oktobra ho avy io, fotoana hanatontosana izany. Ny ministeran’ny fahasalamana no hiantoka ny vaksiny raha misy koa ireo fikambanana hafa hamatsy vola.
 
Mitombo isa : Mihamitombo isa hatrany hatrany ny mpivaro-tena eto an-drenivohitra. Ireo ankizivavy tsy ampy taona no tena maro an’isa amin’izany, araka ny fanadihadiana natao. Manomboka amin’ny 15 taona eo ho eo izy ireo ary misy andiany mihitsy. Mampanahy be ihany manoloana izany ny fiparitahan’ny areti-mifindra, indrindra ho an’ireo tsy mampiasa fimailo.
 
Vitsy : Vitsy amin’ny ankapobeny ireo lehilahy manaiky ny hampihatra mivantana ilay fomba fanabeazana aizana atao amin’ny tenany na ny “vasectomie”. Na izany aza, araka ny fanadihadiana natao, dia misy ihany ireo lehilahy tsy manahy kely akory ny amin’izany ahitana ny saranga rehetra.
 
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT