Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 14 Jolay 2010


Moto nifandona : Moto scooter roa no nifandona tetsy Anosibe omaly hariva raha iny efa samy maika hamonjy fodiana iny. Ny iray avy any Soanierana hihazo an’Anosipatrana raha avy any Anosy ho any Anosizato kosa ny iray. Na izany aza tsy nisy ny naratra saingy ny moto no nisy fahapotehana kely. 

Hiakatra eny Ankatso : Hiakatra eny Ankatso anio, araka ny vaovao voaray, ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly ambony polyteknika Vontovorona haneho amin’ireo mpianatra namany ny fitakiana ataon’izy ireo. Hatramin’izao mantsy dia tsy misy mety mampianatra ny mpampianatr’izy ireo noho ny fitakiana nataon’ireto farany tamin’ny fitondram-panjakana momba ny tambin-karamany izay tsy mbola nahazoany valiny mahafa-po.
 
Farito mazava : Tokony hofaritana mazava, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina ny andraikitra sahanin’ireo Raiamandreny Mijoro sy ireo vondron’ny fiarahamonim-pirenena hamahana haingana ny krizy politika misy eto amintsika. Tokony hohazavaina amin’ny vahoaka ihany koa, hoy ity lehiben’ny fironana Ravalomanana ity ny lesoka tsy nahafahana nampihatra ny Satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis-Abeba hahafahana manamboatra izay tinapaka tao sy voasonia tao hifanaraka amin’ny filan’ny fironana tsirairay avy.
 
Lesoka : Lesoka amin’ny fiahiana ny zon’olombelona eto amintsika ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra izay zary hararaotin’ny sasany handentehana iretsy voalohany, hoy ny fikambanana Sakaizan’ny Fahalalahana. Matetika mantsy no ampanaovina sonia fotsiny izy ireny dia manaiky ka zary mitondra azy hatrany am-ponja izany na dia zavatra tsy nataony aza. Ezaka mbola tratrarin’ity fikambanana ity ny hanohitra izany, araka ny fanadihadiana natao.
 
Famoran-jaza faobe : Ho fanampiana ireo Ray aman-dreny sahirana ara-pivelomana eny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo eny dia hanao hetsika famoran-jaza faobe ny kaominina ny 26 sy ny 29 jolay ho avy io hiarahana amin’ny dokotera Fidy Bariniaina etsy Ambatomainty, boriborintany fahadimy.
 
Fambolena voankazo : Mikaroka izay fomba hoenti-manatsara sy mampivoatra ny fambolena voankazo ao aminy ireo tantsaha ao anatin’ny kaominina Ambano, distrikan’Antsirabe II amin’izao fotoana izao. Laharam-pahamehana ao anatin’izany ny momba ny fitaovana sy ny zezika hampiasaina. Marihina fa ny 2/3-n’ny tany mirefy 160 km² any an-toerana dia rakotry ny fambolena voankazo avokoa.
 
Fanamafisam-peo : Nahazo fanamafisam-peo avy amin’ny ministeran’ny kolontsaina ny tranoben’ny kolontsaina eo an-drenivohitr’i Boeny. Omaly no natolotra tamim-pomba ofisialy ny fitaovana entina hanatsara ny asa sahanin’izy ireo.
 
Tsy ho ela : Roso amin’ny fitsarana ny fanadinana Cepe hatramin’ny alatsinainy hariva lasa teo ireo tompon’andraikitra misahana izany manerana ny Nosy. Amin’ny alalan’ny fampiasana solosaina no hanatontosana ny asa mba hanafainganana azy. Araka ny fantatra dia mety hivoaka rahampitso izany na afaka rahampitso raha ela indrindra ho an’ny eto an-drenivohitra.
 
Ravan’ny dahalo : Omby miisa 32 no ravan’ny dahalo tao amin’ny fokontany iray any Anjiajia kaominina ambanivohitra distrikan’Ambatoboeny ny fiandohan’ny herinandro teo. Jiolahy 12 lahy no indray niditra an-keriny tao an-tanàna niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana maro samihafa.
 
Famorana maimaimpoana : Zazalahy kely miisa 107 no noforaina maimaimpoana ny faran’ny herinandro teo tany Mitsinjo Mahajanga. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny Faritra no angady nananana izany niaraka tamin’ireo fikambanan’ny mpianatra ho mpitsabo miisa folo mianadahy. Anisan’ny nanome tanana ihany koa ny fikambanan’ny vehivavy Sakalava.
 
Finoana : Mpiandry sy mpiomana an-jatony, mpino eo anivon’ny fiangonana Fjkm mivondrona ao anatin’ny Kristy fihavanantsika no hotokanana ny alahady ho avy io any amin’ny Faritra SAVA. Ao amin’ny Fjkm Tranovato ao Antalaha no hanatontosana ny fotoana rehetra izay tafiditra ao anatin’ny fankalazan’ny fiangonana ny jobily faha-100 taonany. Hikatona avokoa ny fiangonana Fjkm rehetra any an-toerana amin’io andro io.
 
Misedra olana : Misedra olana noho ny fahaverezan’ilay Baka iray mpitatitra olona miasa ao Ambilozaha mampitohy an’Ikongo sy Ifanereha ireo mponina any an-toerana. Voatery mihodidina lalana an-kilometatra maro mantsy izy ireo vao mahazo tanàna iray. Mikasika ilay FDL (Fond de Développement Local), tohana ara-bola ho an’ny kaominina avy amin’ny fanjakana kosa dia ny asa fanamboaran-dalana no handaniana izany ho an’ny kaominina Ikongo.
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT