Matso : Nihazo an’i Frantsa ny faran’ny herinandro teo ny Ministry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien sy ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika, ny jeneraly Ndriarijaona André, hanotrona ny matso ataon’ny miaramila Malagasy mandritra ny fetim-pirenena frantsay ny 14 jolay 2010.
Solika : Ny tobim-pivarotan-tsolika Galana sy Jovenna hatramin’ny omaly maraina no tazana nampidina ny vidin-tsolika amidiny noho ny tery vay manta nataon’ny FAT. Niverina tamin’ny sarany teo aloha izany. Niverina ho 2480 Ar ohatra ny iray litatra amin’ny gazoala, 2990 Ar ny lasantsy voadio raha 2970 Ar ny lasantsy tsotra. Nanome fe-potoana farany hatramin’ny omaly alina ny FAT hamerenan’ireo kaompania mpaninjara solika efatra misy eto ny vidin-tsolika.
Sahy tsy sahy : Mitranga mihemotra FAT ny amin’ny fangatahan’ireo parlemantera ACP-UE ny amin’ny tokony hamoahana ny gadra politika sy ny mpanao gazety mialoha ny hirosoana tanteraka amin’ny famahana ny krizy politika eto amintsika. Tsy nanaiky tsy nanda ny filohan’ny FAT nanoloana izany no sady mbola nilaza hieritreritra ihany koa. Tsy nanome daty mazava ny amin’ny hanomezany valin-teny ihany koa izy.
Bakalôrea : Tsy hisy fikitihana ny fandaharam-pianarana ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana bakalôrea, hoy ny ministry ny fanabeazam-pirenena ny fanovana ny sokajy C sy D ho lasa sokajy S rehefa natambatra ho iray, toraka izany koa ny sokajy A1 sy A2 izay lasa ho sokajy L. Tsy mbola hihatra amin’ny taom-pianarana ho avy ihany koa izany hoy ihany ny ministra satria mbola hisy ny fikaonan-doha sy ny atrikasa izay tsy maintsy mbola hotontosaina.
Fenoarivobe : Nilamina ny fiatrehana ny fanadinana Cepe omaly ho an’ny distrikan’i Fenoarivobe na dia eo aza ny halaviran-toerana ho an’ireo mpiadina sasantsasany. Samy nampiasa ny fitaovana teo am-pelatanana avokoa ny kaominina sy ny polisy tamin’ny fitaterana ny laza adina. Miisa 2.206 ireo mpiadina voasoratra anarana tokony hiatrika izany raha telo kosa no tsy tonga.
Fizahantany : Hiezaka hampahafantatra ireo toerana mampalaza azy hisintonana mpizahatany ny any amin’ny kaominina Ambalavao, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Anisan’izany ny ao amin’ny fokontany Ambony andrefana izay manana ilay lava-bato nanahary mampiavaka azy. Tsy latsa-danja amin’izany ny asa tanana sy ny fambolena.
Tsy nijery : Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fiatrehan’ireo mpiadina ny fanadinana Cepe nandritra ny andron’ny omaly ho an’ny Cisco-n’i Fianarantsoa I, Faritra Amoron’i Mania. Ny indro kely dia maro tamin’ireo mpianatra no tsy nahalala akory izay toerana hiatrehany ny fanadinana ka nanakorontana ny maro.
Tsy misy mpividy : Zara raha mahalafo sisa ireo mpivarotra ranom-boakazo mandehandeha ao Analakely noho ny hirifirin’ny hatsiaka. Mahazo vahana indray noho izany ireo mpivarotra sakafo mafana toy ny lasopy sy ny katsaka. Tsy maharaka mihitsy aza araka ny fanadihadiana natao, indrindra rehefa vao maraina sy harivariva iny.
Mitohy : Tany Ambanja sy Ambilobe omaly ny ministry ny fanabeazam-pirenena no nanara-maso ifotony ny fizotry ny fanadinana Cepe. Tao amin’ny Ceg Ambanja no nisantarany izany, izay nifanandrify indrindra tamin’ny fotoana nialan’ny mpianatra sasatra kely. Nisy ny fijereny manokana ireo solosaina handraisana ny anaran’ny mpiadina sy ny naotiny nandritra izany.
Olana : Ny kajy sy ny laza olana tamin’ny ankapobeny no mbola olan’ireo mpianatra niatrika ny fanadinana Cepe omaly. Na izany aza nanana tokin’aina sy fanantenana avokoa ireo mpiadina sendra anay fa ho afaka soa aman-tsara.
Tsy tonga : 6, 16¨%-n’ireo mpiadina nisoratra anarana no tsy tonga niatrika ny fanadinana Cepe omaly ho an’ny distrikan’i Boriziny Vaovao. Na izany aza tontosa tamim-pilaminana izany. Nandray ny andraikiny araka ny tokony ho izy ihany koa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Natomboka : Omaly ihany dia efa nanomboka ny fitsarana ny fanadinana Cepe ho an’ny Cisco Mahanoro. Taorian’ny fahavitan’ny taranja iray dia rafitra efa nitsara ireo tompon’andraikitra misahana izany tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo solosaina avy amin’ny ministera.
Maimaimpoana : Nahazo tombony manokana ireo zanaky ny sahirana ara-pivelomana niatrika ny fanadinana Cepe omaly ho an’ny distrikan’Amboasary Atsimo. Nisy ny fizarana sakafo be otrikaina azy ireo, fanomezana avy amin’ny ministera.
Tavela : Mpiadina roa no narary ka voatery nampidirina hopitaly omaly nandritra ny fiatrehany ny fanadinana Cepe tany Ambanja. Ny iray tamin’izy ireo no afaka nanohy ny fanadinana raha vantany vao nahazo fanafody, tavela tanteraka ny iray.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.