Fanadinana Cepe : Mpiadina miisa 513.650 manerana ny Nosy no hiatrika ny fanadinana Cepe anio tontolo andro. 8 taona ny zandriny ary 47 ny zokiny indrindra. Hiparitaka amina foibem-panadinana 1.560 izy ireo araka ny fanadihadiana natao. Nitombo 8,53¨% ny mpiadina raha oharina tamin’ny taon-dasa. Ezahina hitombo araka izany ihany koa ny voka-panadinana araka ny fampanantenan’ny ministera.
Solika : Tsyniandry ny hifaranan’ny fe-potoana anio alina nomen’ny FAT ireo kaompania mpaninjara solika dia namerina ny vidin-tsolika amin’ny vidiny teo aloha, herinandro lasa izay. Fanerena miharo fandrahonana moa no nihatra tamin’izy ireo taorian’ny fampankarana 250Ar ka hatramin’ny 300Ar ny vidin-tsolika nataon’izy ireo herinandro lasa izay. Efa nisy fampidinana indray mandeha ny tapatapaky ny herinandro teo saingy tsy nanaiky ny FAT raha tsy naverina tamin’ny vidiny taloha. Araka ny fantatra dia matahotra sao misy hanafika na handoro ireto mpandraharaha ireto ka dia nampidina tsy fidiny.
Katedraly Andohalo : Notokanana tamim-pomba ofisialy omaly ny fanavaozana ny katedraly katolika Andohalo. Naharitra valo volana ny asa fanarenana sy fanavaozana azy ity. Fotoam-pivavahana notarihin’ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona no nanokafana ny fotoana, natrehin’ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, mivady sy olo-manankaja maro. Ny tsikaritra dia vitsy ny mpino katolika tonga niara-niombom-bavaka tamin’ny fahavitan’ity asa fanatsarana ity. Nefa dia tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-120 taonan’ny trano vato ary koa ny faha-150 taonan’ny trano hazo teo Andohalo izy ity.
“Bois de rose” : Nisy fivoriana maika manodidina ny trafikana “bois de rose” mirongatra tato ho ato, tao Toamasina ny zoma lasa teo. Izany dia taorian’ny nahatrarana ilay mpandraharaha ara-toekarena iray izay nikasa hanondrana bolabola 118 isa tao anaty fiara vaventy roa ny talata lasa teo. Fantatra fa dia misy vola be an-tapitrisany maro mihodina any ho any mba hanakontakonana ity raharaha ity.
Velon-taraina : Mirongatra ny halatra enta-madinika toy ny savony sy haingom-bola eny Alakamisy Fenoarivo rehefa andro tsena. Maromaro ireo mpivarotra voa ka velon-taraina tato anatin’ny iray volana izay. Renim-pianakaviana iray nandeha niantsena ihany koa no fantatra fa nitaraina very zaza ny alakamisy lasa teo.
Tokony hivelatra : Tsy tokony hijanona ho an’ireo fironana efatra misy ihany ny famahana ny krizy pôlitika eto Madagasikara, hoy i Gilbert Raharizatovo, filohan’ny antoko “Rassemblement Pour Madagascar (RPM)” raha nihaona tamin’ny vahoaka tany amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny ny tenany. Tokony hivelatra amin’ny antoko pôlitika rehetra izany, hoy izy ary tsy hanavahana sokajy. Nohararaotiny nandritra izany ny nampahafantatra fa ny antoko pôlitika RPM tarihiny dia efa miparitaka sy mivelatra manerana ny Nosy.
Tafatsangana : Tafatsangana ny faran’ny herinandro teo ny birao vaovao hitantana ny fikambanan’ny zanak’Amoron’i Mania, ivondronan’ireo distrika efatra misy. Nisy ny atrikasa notontosain’izy ireo nandritra izany izay niompana sy nifantoka tanteraka tamin’ny fanatsarana ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina sy ny lafiny ara-toekarena. Ny Ministry ny filaminana anatiny moa araka ny fantatra ny lany ho filohan’ity fikambanana ity.
Fotodrafitrasa : Nahazo lapan’ny tanàna vaovao ny ao Ambatomiady, distrikan’Antanifotsy. Ny faran’ny herinandro teo no notokanana tamim-pomba ôfisialy ny fotodrafitrasa, mitentim-bidy 54 tapitrisa Ar. Na izany aza mbola olana ho an’ity Kaominina ity ny tsy fananany fitaovana hoenti-miasa toy ny solosaina.
Voa avokoa : Tsy anavahana mpivarotra sy toerana nanomboka ny sabotsy 10 jolay teo ilay hetsika fanadiovana ny sisin-dalana tontosain’ny pôlisin’ny tsena. Nanomboka teny amin’ny pavillon Analakely izany ka mipaka teny Tsaralalana sy Behoririka. Maromaro indray ireo very entana vokatr’izany, indrindra ireo renim-pianakaviana mitaiza kely.
Mponina : Hanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mponina i Madagasikara anio. Hisy ny hetsika manokana izay hokarakarain’ny ministera tompon’andraikitra haharitra 19 andro eo ho eo. Anisan’izany ny fampisehoana an-tsary ny fiainana niainan’ny mponina tao anatin’ny 40 taona lasa, ny loabary an-dasy mifanaraka amin’izany… Hisy ny fanehoana sahady ny vokatry ny fanovana ny 31 jolay ho avy io araka ny fanazavan’ny ministra tompon’andraikitra Nadine Ramaroson.
Tonga ihany : Tonga ihany ny anjara laza adina Cepe ho an’ny DREN Betsiboka na dia efa nitaintaina mafy aza ireo tompon’andraikitra misahana izany. Toraka izany koa ireo solosaina roa, nampanantenain’ny ministera handraisana ny anaran’ny mpiadina sy ny naoty azon’izy ireo. Tsiahivina fa tany amin’iny distrikan’Antsohihy iny ny ministry ny fanabeazam-pirenena omaly nanara-maso faramparany ny fanomanana ny fanadinana.
Halatra friperie : Ramatoabe iray manodidina ny 70 taona no tratran’ny olona nangalatra friperie teo amina mpivarotra iray tetsy Anosibe ny faran’ny herinandro teo. Noho ny fahanterany anefa dia tsy sahin’ny olona nokasihin-tanana izy fa noterena hamerina ny entana ary nalefa nody.
Mariazy nanalana mpivarotra : Nesorina tamin’ny toerany ireo mpivarotra amoron-dalana akaikin’ny EPP Anosipatrana ny sabotsy lasa teo fa hisy mariazin’olona ambony hiditra, hono, ao am-piangonana. Nimenomenona ireo mpivarotra satria tsy navela hivarotra izy ireo nandritra ny tapak’andro maraina. Rehefa nohadihadiana dia olon-tsotra ihany ilay mpanambady fa ny polisy monisipaly izay nokaramaina manokana hifehy ny fifamoivoizana no nanakana ireo olona tsy hivarotra. Natao hitoeran’ireo fiara mpanotrona mantsy ny sisin-dalana an-daniny roa.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.