Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 09 Jolay 2010


Anjerimanontolo : Nisokatra eo anivon’ny oniversiten’Andrainjato ao Fianarantsoa ny lalam-piofanana vaovao momba ny sehatry ny fitsaboana. Ny 28 jona lasa teo no nanomboka nisokatra tany an-toerana io lalam-piofanana io ka tanora 100 mianadahy no efa nisoratra anarana ny ho amin’izany. Valo taona no faharetan’ny fianarana raha taranja dimy kosa no hiofanana ao amin’ny taona voalohany. 

“Bois de rose” : Mpandraharaha ara-toekarena iray avy any amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny no voalaza fa tompon’antoka tamin’ireo hazo “bois de rose” marobe nokasaina haondrana tratra tao Mananara Avaratra omaly.
 
Nitombo : Nitombo 2, 62¨% ny isan’ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana Cepe ny alatsinainy 12 jolay izao, any amin’ny faritra SAVA ho an’ity taona 2010 ity. Miisa 34.354 izy ireo, hiparitaka amina foibem-panadinana 12 isa. Vonona ny hiatrika izany ny sekoly rehetra isan-tsokajiny amin’ny ankapobeny miaraka amin’ireo tompon’andraikitra izay nofanina manokana hampiasa ny solosaina handraisana ny anaran’izy ireo sy ny naoty azony.
 
Soldat : Soldat ! io indray no anarana entin’ireo andian-jatovo mpigafy sy mpamono olona ao an-drenivohitr’Antsiranana amin’izao fotoana. Tovolahy kely iray 17 taona no maty notsindromin’izy ireo ny antsy ny 03 jolay lasa teo noho ny resaka sipa. Nandeha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana taorian’izany ka fito tamin’ireo 14 lahy izay samy tompon’antoka tamin’izao vono olona izao no tratra ny alahady 04 jolay lasa teo ihany. Mpivarotra sy mpamatsy rongony kosa ny fito amin’izy ireo araka ny angom-baovao azo. Marihina fa 37 taona no zokiny indrindra amin’ireto andian-jatovo Soldat ireto raha 12 taona kosa no zandriny indrindra.
 
Fiaraha-miasa : Hampitomboana roa ireo fokontany miara-miasa amin’ny PPRR any Sainte-Marie. Omaly no nanatontosana ny fifidianana izany fokontany izany, tao anatin’ny dinika samihafa. Tsiahivina fa efa misy fokontany valo miara-miasa amin’ity PPRR ity ao Sainte-Marie. Hitombo folo izy ireo, araka izany.
 
Ady amin’ny valala : Toy ireo faritra sasantsasany dia nahazo ny anjara ranom-panafodiny entina hamonoana valala ihany koa ny any Morondava. Mitotaly 3.000 litatra io ranom-panafody io izay hiantsoan’ny lehiben’ny faritra ny rehetra mba hifanome tanana. Nisy ny fampahafantarana ny fahatongavan’ireto ranom-panafody ireto ny mpanao gazety omaly.
 
Fanampiana : Tonga nanatitra izay voatsirambin’ny tanana ho an’ireo olona traboina vokatry ny hain-trano tao amin’ny fokontany Ambatoharanana, distrikan’i Vavatenina omaly ny lehiben’ny distrika any an-toerana. Lelavola 326.420 Ar no natolotra tamin’izany niaraka tamin’ny lamba firakotra sy labasy avy amin’ny fikambanana Croix Rouge Malagasy. Ny 27 jona lasa teo no nitrangan’ny loza. Zazavavy kely iray vao 7 taona monja no namoy ny ainy raha trano 19 tafo kosa no lasa lavenona.
 
Tontolo iainana : Tontosa omaly tany Vondrozo ny sonia famindram-pitantanana ny tandavan’alan’i Fandriana amin’ny Vondron’Olona Ifotony ao amin’ny kaominina Vohimary. Telo taona no faharetan’ny fitantanana. Raha mizotra araka ny tokony ho izy anefa ny fitantanan’ireto vondron’olona ifotony ireto, izay misy mpikambana valo ity tandavan’ala ity dia mbola azo tohizana izany.
 
Nankasitrahana : Mpianatra 10 mianadahy, kilasy faha-enina eo anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa eny Itaosy, Atsimondrano no notoloran’ny kaominina Itaosy sy ny fikambanan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra mari-pankasitrahana sy fitaovam-pianarana omaly ho fankasitrahana azy ireo noho ny zava-bitany tamin’ity taom-pianarana 2009-2010 ity. Omaly no nanatontosana izany izay nifanindran-dalana indrindra tamin’ny famaranana ny taom-pianarana.
 
Lasan’ny ranomasina : Olona iray araka ny vaovao voaray no lasan’ny ranomasina tany Manakara afaka omaly, noho ny haratsian’ny toetr’andro. Tsy mbola hita ny razana hatramin’ny omaly. Mikasika ny vola fisotroan-dronon’ny zokiolona kosa dia efa tonga any an-toerana ny vola natokana ho amin’izany ankehitriny.
 
Sao dia… : Matahotra ny hiandry vasoka ireo mpianatra sy Ray aman-dRenin’ny mpianatra hiatrika ny fanadinana Cepe any amin’ny kaominina Morarano, distrikan’i Betafo. Hatramin’ny omaly nanoratana mantsy araka ny fantatra dia mbola tsy tonga any an-toerana ireo fitaovana nampanantenain’ny fitondrana FAT omena ireo ankizy ireo entiny hiatrehana ny fanadinana.
 
Fandriampahalemana : Mitaraina noho ny afitsok’ireo mpamaky trano ny eny Ampitatafika Atsimondrano sy ny manodidina eny amin’izao fotoana. Trano roa no indray nosokin’ireo izy ireo saingy tsy nisy na inona na inona azony afaka omaly. Goaka vokatr’izany ny vodin-trano ka mampiferon’aina sy mampatahotra ny rehetra.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT