Sahirana : Tsy mbola vita ny famindram-pahefana teo amin’ny Pds vaovaon’i Manakara napetraky ny fitondrana FAT sy ny Ben’ny tanàna teo aloha izay nalana an-tery setra tamin’ny toerana. Tsy mbola eo am-pelatanan’itsy voalohany avokoa noho izany ireo taratasy mahakasika ny kaominina sy ireo fanalahidin’ny birao rehetra izay mampitaraina ity Pds ity fatratra. Nanambara moa ity farany fa efa nitondra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana hahafahany mamoha ny birao rehetra.
Sakan-dalana : Lasibatry ny dahalo mirongo fiadiana ny fiara taxi-brousse iray eo anivon’ny kaoperativa Mafio omaly alatsinainy tokony ho tamin’ny 3 ora maraina tany ho any.
Kaominina Mendrika : Kaominina iray isaky ny Faritra no homena valisoa ao anatin’ny fifaninanana Kaominina Mendrika amin’ity taona 2010 ity. Nankinina tanteraka amin’ny faritra tsirairay avy ny fisafidianana ny kaominina heveriny fa mahafeno io fepetra io. Lelavola 76 tapitrisa Ariary kosa no nomanina hozaraina amin’ireo kaominina 22 voasafidy.
Mponina : Hanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mponina isika eto Madagasikara ny 11 jolay ho avy io. “Izaho, ianao, isika ho amin’ny fanomezana hasina ny sosialim-bahoaka”, no lohahevitra hitondrana ny hetsika, hotontosaina etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina.
Lozam-pifamoivoizana : Ramatoa iray sahabo ho 30 taona no nofaohan’ny fiara polo miloko manga iray, omaly maraina teny amin’ny
Fanadinana Cepe : Ny solosaina no hampiasaina hanafainganana ny famoahana ny voka-panadinana Cepe ao an-drenivohitr’i Tolagnaro ny talata ho avy io. Roa andro monja aorian’ny fanadinana no tanjona. Mikasika ireo mpampianatra hisahana ny fiambenana kosa dia efa nivoaka ny taratasy fanendrena azy ireo. Ny zoma ho avy io izy ireo no hiparitaka any amin’ny toerana hiasany avy raha ny adina an-tsoratra kosa sisa no handrasan’ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana Bepc sy bakalôrea.
Mpivarotra amoron-dalana : Nadio tanteraka ny teny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina teny omaly maraina. Tsy tazana nivangongo marobe toy ny mahazatra teny amin’ny sisin-dalana intsony mantsy ireo mpivarotra amoron-dalana noho ny fisian’ireo polisin’ny tsena izay nivezivezy nanara-maso tetsy sy teroa. Na izany aza mbola tazana nihainohaino teny rehetra teny ihany ny mpivarotra.
Lalam-pirenena faha-32 : Hasiam-panamboarana ny lalam-pirenena faha-32 mampitohy an’i Mandritsara sy Befandriana Avaratra ary Antsohihy. Ezahina hovitaina amin’ity volana jolay ity ihany koa ny asa fanamboarana ireo ampahan-dalana hasiam-panamboarana ao Mandritsara.
Bisky lany daty : Miparitaka ao Analakely ihany koa nanomboka omaly ny bisky lany daty masira sy mamy amin’ny vidiny 1.000 Ar. Vita Sinoa ireto bisky ireto araka ny fantatra ary tena be dia be tokoa. Tokony ho mailo noho izany ny rehetra, indrindra ireo Renim-pianakaviana manan-janaka madinika.
Atao filamatra : Atao filamatra ny foibem-paritry ny fifandraisana eto amin’ny faritra Analamanga. Nisongadina io nandritra ny famindram-pahefana teo amin’ny talem-paritry ny fifandraisana teo aloha sy ny talem-paritry ny fifandraisana vaovao. Fepetra hahatongavana amin’izany, hoy ity tompon’andraikitra farany ny fisian’ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny samy mpiasa izay nanentanany ny rehetra.
Tsenabe : Ny 23 ka hatramin’ny 25 jolay ho avy io no hotanterahina any Ambositra ilay tsenabe “Fihaonana” taona 2010 hanasongadinana ireo vokatry ny tany mampalaza ity faritra ity. Kaominina am-polony no handray anjara amin’izany hotronin’ireo mpanao asa tanana maro isan-tsokajiny.
Vonona : Vonona amin’ny fiatrehana ny fanadinana Cepe hotontosaina ny alatsinainy 12 jolay ho avy io ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana manerana ny Nosy. Misy amin’ireo mpianatra sasantsasany indrindra ireo eo anivon’ny sekoly tsy miankina no efa nahazo ny taratasy fiantsoana azy raha miandry amin’ny zoma kosa ny an’ny sasany.
Saika hamono tena ? : Omaly maraina tamin’ny valo ora dia vehivavy tokony ho 50 taona no nikasa hamono tena teo amin’ny lalamby tetsy Ampefiloha, rehefa nahita ilay detresse mpisava lalana nandalo. Nitsirara avy hatrany teo afovoan’ny lalana izy. Ny mpandeha sy ny fiara rehetra anefa efa nijanona daholo. Soa ihany fa tafajanona ilay kalesindalamby fa raha tsy izany…
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.