Mivadibadika : Manahy ny amin’ny hoavin’ny antoko ny mpikambana amin’ny Liaraike amin’ny fivadibadihana palitao ataon’ny filoha mpanorina ny antoko, Soja Jean André na Kaleta. Araka ny loharanom-baovao dia toa mety hiara-dia amin’ny MDM tarihin’i Pierrot Rajaonarivelo indray i Kaleta amin’ny fifidianana ho avy rehefa avy nitafy ny akanjon’ny Tiako I Madagasikara tamin’ny fifidianana depiote avy eo Senatera ny taona 2007.
Manadio tanàna : Nanao fanadiovana teny anivon’ny fokontany ny tao Tolagnaro. Nitarika ny hetsika ny vadin’ny PDS Tolagnaro sy ireo vadina sefo fokontany. Nanomboka tao amparihy ny alarobia ary nitohy tao Tanambao ny alakamisy ny fanadiovana. Ny nahagaga ny mponina dia nasaina nandoa vary 1kp sy vola 200Ar isan-tokantrano izy ireo ho fandraisana anjara. Iaraha-mahita anefa ny fahasahiranana ary asan’ny Kaominina ny manadio tanàna.
Toromarika : Anio no handray toromarika amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena ny mpomba ny ankolafy telo ao amin’ny Magro Behoririka. Tanindrazantsika i Madagasikara, isika Malagasy no tompony ka samy mahalala ny tokony hataony amin’ny fanamarihana ny 26 jona ny tsirairay, hoy ny kabary niverimberina tao omaly.
Ho avy : Ho avy eny Mahamasina hanatrika ny matso araka ny fanasan’ny foloalindahy ny masoivoho Frantsay eto Madagasikara, Jean-Marc Chataigner. Namoaka fanambarana manazava izany ny avy eo anivon’ny ambasady frantsay eto Madagasikara.
Ankizy sembana : Ankizy manana fahasembanana miisa 600 eto an-drenivohitra no notoloran’ny Ministry ny mponina Nadine Ramaroson kilalao sy vatomamy afak’omaly tetsy amin’ny tranompokonolona Analakely. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny iray volan’ny ankizy ny hetsika izay mifanindran-dalana amin’ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona.
Fotodrafitrasa : Ny distrikan’Anosibe an’Ala no voafidy nanokafana tamim-pomba ofisialy ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona ho an’ny faritra Alaotra Mangoro. Narahin’ny fitokanana fotodrafitrasa maro sosona ny hetsika toy ny CSB II, EPP… Nisy ihany koa ny fizarana akanjo mafana ho an’ireo fianakaviana sahirana sy solom-bodiakoho ho an’ny zokiolona, fanomezana avy amin’ny faritra.
Fetin’ny taranaka : Hanao Fetin’ny taranaka ny Fjkm Ambohimanandray Filadelfia iarahan’ny mpitandrina sy ny fiangonana ary ny biraon’ny zanaka ampielezana ny alahady 27 jona amin’ny valo ora maraina. Maro ny asa efa vitan’ny taranaka nefa mbola betsaka ihany koa ny asa velarin’ny Tompo amin’ity taona ity dia ny fanoloana ny andry mitondra ny rihana sy fanoloana ny gorodona ambony no ezaka hatao, hisy ny fiaraha-misakafo aorian’ny fanateram-bokatra ataon’ny taranaka.
Zandarimariam-pirenena : Notanterahana omaly teny amin’ny toeram-piasan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ny lanonana tsotra sady feno firahalahiana, nisaorana sy nanaovam-beloma ny général de division Ravelomanana Claude, tompon-toerana nandritra ny herintaona eo ho eo, sy niarahabana sy nitsofana rano ny général de brigade Randrianazary, tompon-toerana vaovao.
Antoko Maitso : Teny Ambohibao Antehiroka ny alarobia no nanokafan’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara ilay hetsika ara-tsosialy entina hanamarihana izao tsingerin-taona faha-50 nahazoantsika ny fahaleovantena izao. Nisantaran’ny antoko izany ny tao amin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka izay nanolorany sakafo masaka ho an’ireo ankizy mpianatry ny Epp ao an-toerana. Tsy diso anjara tamin’izany ireo ankizy mpianatry ny Epp ao Ambohipo miisa 400 mahery.
Nasaina : Nasain’ny FAT handray anjara amin’ny matso fankalazana ny fetim-pirenena sady fetin’ny foloalindahy ny miaramilan’ny COI, araka ny nambaran’ny Minisitry ny foloalindahy, ny jeneraly Rakotoarimasy Lucien. Hatramin’ny omaly nahazoana ny vaovao anefa tsy mbola tonga ireto vahiny ireto.
Fiaraha-miasa : Hohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny masoivoho Tiorka sy ny Ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony. Nisy ny fihaonana izay notontosain’ny roa tonta, niompana indrindra tamin’ny resaka fanabeazana hahafahana manatsara ny voka-panadinana. Tafiditra tao anatin’izany ny mikasika ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny.
Fifandraisana : “Allo Telma”, io no anaran’ilay tolotra vaovao omen’ny orinasam-pifandraisana Telma ireo mpanjifany nanomboka omaly. Tolotra vaovao entina hitsinjovana manokana ireo mpanao taxi-phone izy io araka ny vaovao voaray nefa koa azon’ny rehetra ampiasaina. Mampiditra fahana 1.000 Ar hahazoana miantso 10 minitra maimaimpoana mankany amin’ireo mpanjifa Telma rehetra manerana ny Nosy.
Analakely : Tomefy mpivarotra Analakely sy ny manodidina nanomboka omaly. Foana hatramin’ny toeram-piantsonan’ny fiarakodia vokatr’izany noho ny hamaroan’ny mpivarotra izay tonga hatrany amoron’ny arabe. Ireo karazana arendrina vita sinoa no tena mameno ny tsena manomboka amin’ny vidiny 3.000 Ar.
Fasan’ny Karana : Fiara 3CV sy 405 iray no nifandona tetsy amin’ny fasan’ny Karana omaly maraina. Samy handeha hihazo an’Ankadimbahoaka ny roa tonta no nifandona saingy tsy nisy ny naratra. Ilay fiara 405 no nisy fahapotehana vokatry ny fandonan’ilay fiara 3 CV feno akoho azy nivoaka avy ao amin’ny fasan’ny karana.
Tetikasa Ankizy Krismasy : Ny alahady 27 jona 2010 no hotontosaina ao amin’ny fiangonana Fjkm ao an-drenivohitr’i Morombe ny fizarana kilalao ho an’ireo ankizy mpianatra sekoly alahady, tafiditra ao anatin’ilay tetikasa ankizy krismasy. Fotoam-pivavahana entina hisaorana sy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no hanokafana ny fotoana.
Foloalindahy : Varavarana misokatra entina hampahafantarana ny vahoaka ny andraikitra sahanin’ny foloalindahy no nanokafan’ny foloalindahy any Mananjary ny fetin’ny 26 jona omaly. Nitarika izany ny lehiben’ny distrika izay nanamafy fa ilain’ny rehetra ny mahafantatra izany, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny asaramanitra izao.
Toamasina : Mamely ny gripa sy ny kohaka ao an-drenivohitr’i Toamasina. Ireo ankizy latsaky ny dimy taona no tena lasibatra araka ny vaovao voaray ankoatra ireo efa zokinjokiny. Na izany aza mbola voafehy tsara ny aretina. Marihina fa mbola ahitana ilay soritr’aretina tazo mahery any amin’ity distrika ity na dia efa miditra amin’ny volon’andro ririnina aza isika.
Lalana : Nampitaraina ny maro ny fitohanan’ny fiarakodia teto an-drenivohitra hatramin’ny omaly. Ny tao Analakely no nangotraka ankoatra ny teny Anosibe sy ny manodidina. Na izany aza nahitana fihenany ihany izany nanomboka tamin’ny 1 ora folakandro tany ho any.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.