Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 24 Jona 2010


Tsena : Hisokatra aorian’ny fetin’ny 26 jona ho avy io ilay tsena vaovao misy rihana etsy amin’ny Petite Vitesse, raha efa nampanantenaina hatramin’ny fiandohan’ny volana aprily 2010. Ho fiarovana ny fikorontanan’ny mpivarotra, indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao no antony nanemorana ny fotoana hisokafana. Na izany aza, hoy ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra dia efa tsara petrapetraka avokoa ny lamina rehetra handraisana ny mpivarotra. 

Vavaka : Fotoam-pivavahana niarahana tamin’ireo antoko mpihira manodidina ny 30 isa no nanokafan’ny Kaominina Ivato Firaisana sy Kaominina Ivato Aéroport ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona omaly. Nanomboka tamin’ny dimy ora ny fotoana, notanterahina teo amin’ny tokotany malalaka iombonan’ny Kaominina roa tonta ihany.
 
Tsy fanjarian-tsakafo : Nanamarika ny androm-paritra momba ny fanjarian-tsakafo ny tany amin’ny faritra Bongolava omaly. «Fanomezan-danja ireo vokatra misy ao an-toerana hoenti-miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo» no lohahevitra nitondrana ny hetsika.
 
Fotodrafitrasa : Vita soa aman-tsara ny asa fanarenana ny sekoly EPP ao Isangy, kaominina Ampefy. Mitentina 160 tapitrisa Ar ny vola lany, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny firenena Japoney. Ny talata teo no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa.
 
Fanabeazana : Mahatratra 2.200 ireo mpampianatra horaisina hampianatra eny anivon’ny kolejy sy ny lycée amin’io taom-pianarana vaovao io. Efa an-dalam-piofanana avokoa izy ireo araka ny fanazavan’ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena Razafimanazato Julien. Ankoatra izay dia herinandro monja araka ny fanazavan’ny ministra ihany dia hivoaka ny valim-panadinana Cepe raha herinandro mahery kosa ny Bepc. Tsy ho an’ny eto an-drenivohitra ihany io araka ny nambaran’ny Ministra ihany fa manerana ny faritany mihitsy.
 
Handray anjara : Naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena misy ankehitriny ny fikambanana Grad Iloafo. Nambarany fa tsy manana olana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fikaonan-doham-pirenena izy ireo raha toa ka voafaritra mazava ny fotoana hanatontosana izany. Nanamafy anefa ity fikambanana ity fa tsy tokony hokorontanina ny vahoaka amin’izao ankatoky ny fetin’ny 26 jona izao fa aleo hifety amim-pilaminana.
 
Sakafo : Ankizy 250 ka hatramin’ny 300 manerana ireo fokontany 271 mandrafitra ny faritra SAVA no noraisin’ny ORN an-tanana amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Amin’ny alalan’ny ananambo, vokatra mampalaza ity faritra ity no hikarakarana ny sakafo hatolotra azy ireo izay marihina fa vao avy nanaovana fikarohana tany Amerika.
 
Fampitaovana : Nahazo fampitaovana toy ny solosaina avy amin’ny fikambanana Intercoopération Madagascar sy ny Stabex ny Kaominina Soanierana Ivongo sy Manompana. Nifanindran-dalana tamin’ny fanokafana ny fotoam-piotazan-davanila maitso ny fanolorana ny fitaovana afak’omaly.
 
Tambajotra : Hifarana anio hariva, ao amin’ny hotely Colbert, ny fivorian’ny solontenan’ny firenena ao amin’ny COI manomana ny fananganana ny tambajotra momba ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina. Valanjavaboary efatra no arovana eto Madagasikara noho ny zava-manan’aina maro sy maro karazana hita ao. Ny tanjona dia ny hamolavola paikady isam-paritra hitantanana ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina.
 
Jono : Handray fepetra hentitra mikasika ny jono ny ministera manomboka izao. Anisan’izany ny famolavolana lalàna vaovao hifehy ny jono… Araka ny fantatra mantsy dia tsy mitsaha-mitotongana ny vokatra makamba nanomboka ny taona 2007 no ho mankaty. 8.000 taonina ny vokatra niakatra tamin’io taona io raha tafidina hatrany amin’ny 3.500 taonina izy tamin’ny taon-dasa.
 
Fampisehoana : Hisy fampisehoana lehibe hatao eny Ambohidratrimo, hoy Thiera Bruno. Ny 27 jona ho avy izao no hanatontsana izany ka fandraisan’anjaran’ny vahoaka ny fitondrana saina kely.
 
Ankazomanga : Olona am-polony miandahy miambavy no nifanome tanana niara-nanadio ny tata-drano iray lehibe etsy Ankazomanga omaly. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona ny hetsika ankoatra ny fiarovana ny fahasalam-bahoaka.
 
Maty : Maty ny talata teo araka ny vaovao voaray ilay lehilahy iray sahabo ho 30 taona main’ny herinaratra teny Talatamaty ny 17 jona lasa teo. Raha tsiahivihina dia tena am-panamboarana trano ity lehilahy ity no noraisin’ilay taribin’ny jirama niboridana nandalo tao an-damosiny. Niboridana rahateo Itompokolahy tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza ka izao nihafara tamin’ny famoizany ny ainy izao.
 
Fantarina : mila fantarina mazava ny momba ireo vondrona mikarakaraka fihaonana etsy sy eroa, isan’ireny ny Raiamandreny Mijoro, hoy ny Kmf/Cnoe.
 
Amboasary Atsimo : Sahiran-tsaina amin’ny afitsoky ny valala ny mponina any Amboasary Atsimo. Fambolena amina hekitara maro no efa potika hatramin’ny faran’ny herinandro teo no ho mankaty, araka ny fantatra. Ankoatra izay dia tsy mitsahatra ny mitety tanàna ireto valala ireto koa hanairan’ny mponina ny sain’ny tompon’andraikitra.
 
Nangonin’i Pati/Soa/Mahery

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT