Fetin’ny 26 jona : Olona sahirana ara-pivelomana manodidina ny 500 isa no nizarana bodofotsy sy fotsimbary ary ireo vokatra vokarin’ny orinasa SFOI tetsy amin’ny kianja fanaovam-baolina etsy Tanjombato omaly. Vokatry ny fiaraha-miasan’ity orinasa ity sy ny kaominina no angady nananana sy vy nahitana izany, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-50 nahazoantsika ny fahaleovantena.
Tsenan-davanila : Ao Mananara Avaratra araka ny vaovao voaray no hanokafana amim-pomba ofisialy ny tsenan-davanila sy jirofo amin’ity taona 2010 ity. Nisy ny atrikasa ho fanomanana izany notontosaina tany an-toerana omaly ka anisan’ny nodinihina ny paikady ho enti-manatsara ny kalitaon’ny vokatra haondrana.
Kaominina Ampitatafika : Fiaraha-mientan’ny mpitantana toy ny sefo fokontany sy ny Ben’ny tanàna ary ny mpandraharaha no nisantarana ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona ny alatsinainy omaly teny amin’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Hitohy ny 25 jona ho avy io ny hetsikaka anisan’ny hisongadina ny fanomezana sakafo toy ny fotsimbary ho an’ny sahirana ara-pivelomana.
Marson Evariste : Naneho ny heviny mikasika ny fiverenan’Atoa Chissano eto amintsika hamahana ny krizy politika ny filohan’ny antoko RPDS Marson Evariste. Nambaran’ity farany fa raha ho avy handresy lahatra ireo firehana telo handray anjara amin’ny famolavolana ny lalàmpanorenana vaovao sy ny fampandehanana ny raharaham-pirenena no anton-dian’ity vahiny ity eto amintsika dia tena ankasitrahan-dry zareo tokoa. Raha toa kosa anefa, hoy ihany izy mbola hampiditra ny resaka Maputo sy Addis-Abeba dia tsy dia misy ilana izany loatra.
Vaky ny ady : Vaky ny ady eo amin’ny PDS napetraky ny fitondrana FAT sy ireo mpanolotsaina voafidim-bahoaka ao amin’ny kaominina ambonivohitra Vohipeno. Tsy tonga niatrika ny fivoriana fanomanana ny fetin’ny 26 jona izay niantsoan’ny PDS azy omaly ireto farany noho izany ka mbola ankamantatra izay mety ho tohin’ny tantara.
Teny Malagasy : Ny fampitaovana ny teny Malagasy, hoy Ramatoa Juliette Ratsimandrava no tena zava-dehibe indrindra amin’izao tsingerin-taona faha-50 nahazoantsika ny fahaleovantena izao. Hiantsoana ny fiaraha-miasan’ny sehatra isan-tsokajiny izany, hoy ihany izy indrindra ireo manana taranja hafa.
Hanamafy orina : Nanatontosa hetsika tao amin’ny Tranombokim-pirenena etsy Anosy ny fikambanana MAMIFARA ivondronan’ireo mpianatra avy any Faratsiho monina eto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro teo. Ny hanamafy orina ny firaisankinan’ny mpianatra no tanjon’ity fikambanana ity amin’izao tsingerin-taona faha-16 nijoroany izao.
Valala : Rahampitso, araka ny nambaran’ny ministry ny fambolena no higadona eto amintsika ilay ranom-panafody 10.000 litatra nohafarana avy any Belzika hamonoana valala any amin’ny faritra atsimo. Hentitra ny ministra nanohy ny teniny ny amin’ny tsy maintsy hamongorana ny valala araka izay haingana ary ao anatin’ny fotoana fohy.
Tolo-tanana : Manome tanana manampy ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny fanadiovana ny tanàna mialoha ny fetin’ny 26 jona ny kaoperativa Komafila zotra 148. Nambaran’ny filohan’ity kaoperativa ity fa tsy hijanona hatreo ny asa. Mbola hitohy aorian’ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona izany ary tena hafotaka tokoa.
Mahabo : omaly no niainga tany Mahabo hihazo ny renivohitra ireo ankizy enina mianadahy sangany indrindra tao amin’ireo sekoly miankina sy tsy miankina any amin’ny distrikan’i Mahabo faritra Menabe. Hanatrika ny fiaraha-misakafo hiarahana amin’i Andry Rajoelina mivady ny 26 jona ho avy io no anton-dian’izy ireo kilasy fahatelo ka hatramin’ny fahafolo.
CCOC : Hanatontosa famelabelaran-kevitra hiarahana amin’ny mpanao gazety sy ny mpandraharaha eny amin’ny La Residence Ankerana anio alarobia ny CCOC, ivondronan’ny fiarahamonim-pirenena. Lohahevitra hovoaboasana mandritra izany ny hoe : “Fiaraha-miasa amin’ny vondrona iraisam-pirenena, very ve ny fiandrianam-pirenena sa tsy ampy ny fitiavan-tanindrazana ?”.
Mpiasam-panjakana : Fotoam-pivavahana entina hisaorana sy hiderana an’Andriamanitra no hanokafan’ny mpiasam-panjakana mpankafy ny lalao baolina kitra ny fetin’ny 26 jona rahampitso alakamisy. Eny amin’ny Ekar Faravohitra no hanatontosana izany manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
Fanampiana : Olona manodidina ny 700 no notoloran’ny Saf Fjkm sy ny Kaominina Tanjombato hanao asa amin’ny alalan’ny asa fanadiovan-tatatra ao an-toerana nanomboka ny alatsinainy. Mandritra ny efa-bolana no hanatontosana ny asa amin’ny alalan’ny asa tanamaro, handaniana vola hatramin’ny 10 tapitrisa Ar. Ny hanampiana ny mponina moa no tanjona araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.
Hanafana fety : Eto an-toerana hatramin’ny omaly ny tarika Kassav nohafarana manokana hanafahana ny fetin’ny fahaleovantena. Anio ity tarika avy any Antilles (Frantsay) ity no hanolotra fampisehoana maimaimpoana eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina, hialohavan’i Lôla sy Mima ary Jean Rigo.
Miverina : Rahampitso 24 jona no hanolotra fampisehoana miendrika cabaret etsy amin’ny «Le Palladium» ny tarika Jeneraly. Hetsika tsy mahazatra ny maro tokoa ny tahaka ity ary hanomboka amin’ny sivy ora alina ny fampisehoana.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.