Vavaka : Tontosa ny sabotsy teo, tao amin’ny foiben-toeran’ny fiangonana Advantista eny Soamanandrariny, ny fitrotroana am-bavaka ny firenena noho ny tsingerin-taona faha-50 nahazoana ny fahaleovantena. Nisy tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita no tonga nanatrika ny fotoana.
Maresaka : Ireo karazan-dalao fifaninanana ara-panatanjahantena maro no maresaka any Mahanoro ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona. Ho an’ny Kaominina Ambodirina sy Masomeloka, ohatra, dia ny tapaky ny volana mey lasa teo izany no efa natomboka hanabeazana ireo tanora lahy sy vavy ho tia sy hankamamy ny fihavanana.
Asa fanadiovana : Olona miandahy miambavy mahatratra 3.000 isa no indray nifanome tanana nanadio ny tao an-tampon-tanànan’Imerintsiatosika, distrikan’Arivonimamo ny zoma lasa teo ho fanomanana ny tsenabe izay hotontosaina tsy ho ela eny an-toerana. Ny fikambanan’ireo sefo Fokontany 36 isa mandrafitra ity kaominina ity no nikarakara ny hetsika.
Asa : Tsy miandry hahazo toerana ao anatin’ny fitondram-panjakana ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara vao afaka manao zavatra. Io no nambaran’ny filohan’ny antoko, Rabearisoa Georget raha nitondra fanazavana mikasika ilay vary mora amidy ho an’ny mponina any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy ny tenany. Voakasik’izany ny distrikan’i Tsihombe sy Ambovombe samy ao anatin’ny Faritra Androy. Ankoatra io famarotana vary mora io dia miditra an-tsehatra amin’ny fiainana ara-piarahamonin’ny mponina ihany koa ny antoko ka anisan’ny andraikitra sahaniny ny manome torohevitra ho an’ireo izay mila izany.
Fananganan-tsaina : Nitondra fanazavana mikasika ny resabe momba ny fananganan-tsaina amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona izao i Andriamananoro Augustin, Ministry ny paositra sy ny fifandraisan-davitry ny FAT teo aloha. Nambarany fa tsy fetin’ny antoko na fetim-pironana ny fetin’ny 26 jona fa fetin’ny fiandrianam-pirenena. Tsy tokony hisy, hoy izy noho izany ny fisalasalana amin’ny fananganan-tsaina izay zary avadiky ny sasany ho lasa resa-politika.
DHD : Mitohy kosa ny tolona ho an’ny fikambanana DHD na dia efa 50 taona aza no nahazoana ny fahaleovantena. Ho azy ireo mantsy dia tsy mbola mahafa-po ny zava-misy, indrindra fa ny fiankinan-doha amin’ireo firenena vahiny.
Zava-poana : Ho an’ny fikambanan’ny solombavambahoaka teo aloha kosa dia ny fiverenan’ireo filohan’ny fironana efatra an-databatra boribory ihany no hany vahaolana tokana hivoahan’ny firenena ao anatin’ny krizy. Ny ankoatra izay, hoy izy ireo dia zava-poana ihany, indrindra raha tsy mifandraika amin’ny resaka fampihavanana.
Feno 50 taona : Feno 50 taona katroka ny kolejy Sacré Coeur ao Toliara. Fotoam-pivavahana nisaorana an’Andriamanitra notarihin’ny Mgr Rabeony Fulgence no nisantarana ny fankalazana omaly alahady teo, natrehin’ny Praiministra Vital mivady izay samy maintimolalin’ny sekoly. Nisy ny fanoloran’izy mivady ireto lelavola 10 tapitrisa Ariary entina hanamboarana tranon-tsekoly vaovao fanampiny nandritra izany niaraka tamin’ny simenitra 40 lasaka.
Andramasina : Ankizy 700 no notoloran’ilay Ong iray miara-miasa amin’ny fiangonana Fjkm ao Andramasina kilalao ny sabotsy lasa teo noho ny fahatongavan’ny fetin’ny 26 jona. Ny taona 1970 no nanomboka ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Ankoatra ny kilalao dia nisy ihany koa ny fanolorana boky kely mirakitra ny soratra masina ho azy 700 mianadahy ireto.
Kaominina Ivato Firaisana : Zazalahy kely am-polony maro no indray noforaina maimaimpoana tao amin’ny kaominina Ivato Firaisana ny faran’ny herinandro teo. Ny fikambanam-pifankatiavana Sinoa sy Malagasy niaraka tamin’ny kaominina no angady nananana sy vy nahitana izany.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.