Fanabeazana aizana : Miparitaka manerana ny fokontany eny atsimondrano hatramin’ny omaly ireo mpanentana avy amin’ny Ministeran’ny fahasalamana, hanentana ny vehivavy hampiasa ny fomba fanabeazana aizana. “Aoka izay ny fahantrana, ahenao ny zaza ateraka” io no lohahevitra ny hetsika haharitra herinandro eo ho eo.
Vavaka : Tontosa afak’omaly alarobia hariva teny amin’ny Ekar Imerinafovoany ny fitrotroana am-bavaka ny firenena noho ny tsingerin-taona faha-50 nahazoana ny fahaleovantena niarahana tamin’ny kaominina Talatamaty. Vavaka iraisam-pinoana no natao tamin’izany, notarihin’ny katekista Rabenarivo Dieu Donné.
Tsy fanjarian-tsakafo : Mirotsaka an-tsehatra manampy ireo zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any Antalaha ny ONN. Voakasik’izany manokana ireo tsy ampy lanja, tohanana amin’ny alalan’ny fanomezana koba aina. Am-polony maro ireo ankizy hahazo tombontsoa amin’izao tetikasa izao.
Tontolo iainana : Hanatsara sy hiaro ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fambolena ravintsara ny any amin’ny faritra Amoron’i Mania. Teknisianina maro no hiara-hiasa amin’ny faritra amin’ny fanatontosana izany. Hanomboka tsy ho ela ny tetikasa.
Voavaha ny olana : Efa afaka manaraka ny lalao Mondial amin’ny alalan’ny vata fahitalavitra ny any Belo Tsiribihina nanomboka omaly. Tsy nisy nahazo ny televizionam-panjakana Tvm sy ny Rnm avokoa mantsy ny tany an-toerana efa ho iray volana lasa izay.
Fanampiana : Hiara-hiasa amin’ny fanampiana sy fanohanana ireo ankizy kamboty sy zanaky ny sahirana ara-pivelomana beazina ao aminy ny Sos Village d’Enfant sy ny orinasa Star. 20 Ar isaky ny tavoahangina “eau vive” 150 sl iray lafo no atolotr’ity orinasa io fikambanana io mandritra ny volana jolay iray manontolo.
AIM : Fahombiazana no azon’ny fikambanana AIM (Association Inter-cooperation de Madagascar) izay miara-miasa amin’ny tantsaha tao anatin’ny herintaona sy tapany. Nahatratra 25.000 isa ireo tantsaha manerana ny faritra telo dia Analamanga, Bongolava ary Itasy nahazo ivon-toeram-pandraharahana momba ny famokarana na ny CSA tao anatin’ny roa taona. Ny indro kely, hoy ihany ny tompon’andraikitra dia ny fahataran’ny famatsiam-bola avy amin’ny Ministera.
Zon’ny ankizy : Nivoaka afak’omaly ny valin’ny fifaninanana nampanaovin’ny Unicef ny mpanao gazety mikasika ny zon’ny ankizy. Ny gazety an-tsoratra Tribune Madagascar no nahazo ny laharana voalohany ho an’ny gazety an-tsoratra, ny Tv Plus Madagascar ho an’ny vata fahitalavitra raha ny Radio Don Bosco kosa ny an’ny vata fandrenesam-peo. Tsy hijanona hatreo ny fifaninanana araka ny fantatra satria mbola hisy ny fiaraha-miasa hotontosain’ny Unicef miaraka amin’ny Telma.
Vahaolana tokana : Vahaolana tokana ihany dia ny fiverenan’ireo filohan’ny ankolafy efatra an-databatra boribory, hoy ny solombavambahoaka teo aloha voafidy tany Vangaindrano no hany lalana tokana hivoahan’ny firenena ao anatin’ny krizy. Tokony hojerena akaiky ny momba izany, hoy ihany ity depiote ity satria efa mby an-koditra ny fahasahiranan’ny vahoaka. Natao, ohatra, ny mikasika ireo olona an’arivony very asa vokatry ny fahatapahan’ireo tetikasa maro toy ny ACORDS.
Fandriampahalemana : Ezahina hohatsaraina ny fandriampahalemana any amin’ny faritra Bongolava. Hotazonina ny ezaka efa natao teo aloha toy ny fizarana moto sy finday enti-tanana ho an’ny mpitandro ny filaminana. Tsy latsa-danja amin’izany ny fijerena ny lafiny ara-tsosialin’ny mponina ankoatra ny fiatrehana ny fifidianana. Ireo no fanamby napetraky ny lehiben’ny faritra mandritra ny enim-bolana farany hiahiny ny faritra amin’ity taona 2010 ity.
Fampihavanana : Namoaka kapila mangirana mifono hafatra amin’ny fampihavanana ny samy Malagasy i Tianjama sy Pascal Vertigo samy mpanankato manana ny maha izy azy avy any Sofia. Miisa fito ny hira ao anatin’io kapila mangirana io mirakitra ireo hira mitory ny fihavanana sy ny firaisankina. Tafiditra indrindra amin’ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona ny famoahana izao rakikira vaovao izao.
Lalana : Tapaka nanomboka afak’omaly alarobia alina ary tsy hifarana raha tsy ny 27 jona ho avy izao ny lalana Ranaivo jules manoloana ny Radio Nasionaly Malagasy sy ny Fitsarana etsy Anosy. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Fetin’ny 26 jona izany na dia miteraka fahasahiranana ho an’ny mponina aza.
Vono olona : Tovolahy mpinamana efatra no niara-nisotrosotro ny 16 jona 2010 tao Tanjonariana, fokontany Ambohimarina, Kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo atsimondrano. Rehefa tonga ny tamin’ny enina ora sy sasany hariva dia nifamaly ary niady izy ireo. Tsy nahatsindry fo ny iray ka lasa naka antsy tany an-tranony ary notsatohany antsy teo amin’ny fony ny namany iray ka maty. Efa nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny Paositra Alasora avokoa ireo telolahy naman’ilay maty mba hatao famotorana.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.