Tetiandro : Raha tsy misy ny fiovana dia amin’ny zoma ho avy izao no hahafantarana ireo tetiandron’ny dinika santatra sy ny fihaonambem-pirenena karakain’ny Raiamandreny Mijoro sy ny fiombonan’ny firaisamonim-pirenena.
Fampandehanan-draharaha : Tsy anjaran’ny fitondrana Tetezamita hoy ny Pr Blanche Nirina Richard, mpahay ara-toekarena, ny mifampiraharaha amin’ny tetikasa lehibe toy ny mitranga any Soalala ankehitriny, iarahana amin’ny Sinoa. Ny andraikitry ny tetezamita hoy izy dia ny misahana ny fampandehanan-draharaha ankapobeny sy ny fitadiavana izay fomba hiampitana mankany amin’ny Repoblika Fahaefatra.
Tsy ampy : 04 tapitrisa ariary amin’ny 120 tapitrisa ariary teti-bola vinavina hanomanana ny 26 jona no hitan’ny Faritra Atsinanaan sy anaty kipam-bolan’ny komity mpanomana hatramin’izao. Misy ny teti-bola avy amin’ny governemanta mitentina 10 tapitrisa ariary isaky ny faritra, saingy hifampizarana amin’ireo distrika enina izany. Araka ny fandaharam-potoana anefa, dia ny 18 jona no hanomboka ny fanetsiketsahana ny tanàna amin’ny alalan’ny podium sy ny fampisehoana rindran-kira maimaimpoana izay nankinina amin’ny Média Consulting ny fisahanana azy raha ho an’ny Toamasina.
Izany hono : 2 % raha misy hoy ny Ministry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine ireo olona voafonja nefa mbola tsy voatsara mijanona ela ao am-ponja. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny Minisitera izany rehetra izany hoy izy.
Hitohy : Hiitatra amin’ny seha-panabeazana ny fiaraha-miasa hisy eo amin’ny Faritra Vakinankaratra (Madagasikara) sy i Auvergne (Frantsa). Omaly no nigadona tany an-toerana ireo delegasiona roa avy any ivelany nanatontosa dinikasa niarahana tamin’ny lehiben’ny Faritra ho enti-manatsara ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.
Tontolo iainana : Homarihina anio eny amin’ny Pic Vert Ambatobe ny fametrahana ny datin’ny 17 jona ho andro fanomezam-baovao ho an’ny fitantanana ny ala. Hitarika ny lanonana amin’izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministeran’ny tontolo iainana.
Fetin’ny 26 jona : Hosokafana ny 19 jona ho avy io izany hoe afaka rahampitso ny ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona ho an’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Hiainga eny anivon’ireo Boriboritany enina misy izany, hipaka hatreny Antanimbarinandriana toerana voatokana hanatontosana ny vako-drazana. Hitohy eny amin’ny kianjan’Andohalo ny lanonana aorian’izany, hafanain’ireo mpanao hira gasy malaza.
Fizahantany : Hatao valan-javaboary arovana ny nosy Tanikely ao Nosy Be. Mandram-piandry izany dia misy ny fandaminana manokana noraisina hahafan’ity toerana ity mandray sy mampiantrano ireo mpizahantany vahiny hitsidika ao aminy. Na izany aza efa miomana fatratra ny ho amin’izany ny “Madagascar National Parcs” sy ny ofisim-paritry ny fizahantany any an-toerana ary ny kaominina.
Port-Berger : Arahi-maso fatratra ireo fokontany tsy mihetsika amin’ny asa fanadiovan-tanana any Port-Berger. Mafana toraka izany koa ny fanentanana ny isam-baravarana mba hanangan-tsaina ho fanamarihana ny faha-50 taona nahazoantsika ny fahaleovantena.
Otrikafo : Tsy hanaiky intsony ny famerenana ny rafi-panjanahan-tany izay nampahory ny vahoaka nandritra ny 50 taona lasa ny antoko politika Otrikafo. Zavatra hafa mihitsy no tokony hobanjinin’ny vahoaka amin’izao fetin’ny 26 jona izao, hoy ny filohan’ity antoko politika ity mba tsy hiverenan’ny tantara teo aloha.
Fanomezana : Notoloran’ny fikambanana mpitia sy mpiompy alika ao Antsirabe fanomezana toy ny vary sy laoka ary lamba firakotra ireo marary saina beazina ao amin’ny toby Flm Ambohimahazo ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra. Miisa 96 izy ireo izay marihina fa nitombo be tokoa noho ny antony tsy fantatra.
Ampasika : Nahenan’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny haben’ny zaridaina manoloana ny tetezan’Ampasika. Araka ny fantatra dia entina hanamaivanana ny fitohanan’ny fiarakodia izay tena mampitaraina ny maro tokoa no antony hanenana ny haben’ity zaridaina ao Ampasika ity.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.