Sainam-pirenena : Raha ny tazana teny Tanambao 67ha atsimo teny omaly dia mitety trano ny mpiasan’ny fokontany mitily izay tsy manangan-tsaina. Izaran’izy ireo sainam-pirenena izay tsy manana na manana fa tsy manangana. Ny distrika no mpanome raha ny filazan’izy ireo, koa dia hisafo matetika hanamarina raha natsangana ny saina nozarain’izy ireo na tsia.
Sokatra : Sokatra 300 isa tao anatin’ny valizy roa, niaraka tamina rongony no saron’ny mpiasan’ny fadin-tseranana tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ao Malaisie ny fiandohan’ny volana jona lasa teo. Avy eto Madagasikara ireo sokatra ireo no naondrana an-tsokosoko ary efa nandalo taoMaorisy. Eo am-pikarohana hevitra ny amin’ny hamerenana ireto sokatra 300 ireto eto Madagasikara ny any Malaisie amin’izao fotoana izao.
Ezaka kopia : Niatrika fiofanana momba ny Eka ny Ezaka Kopia ho an’ny Ankizy ireo tompon’andraikitra any amin’ny distrikan’i Manakara, notarihin’ny lehiben’ny distrika. Kaominina 31 no hanaovana ny hetsika amin’ny faramparan’ity volana jona ity ka anisan’ny hahazo tombontsoa amin’izany ireo olon-dehibe efa feno taona nefa mbola tsy kopia mari-pahaterahana sy kara-panondro.
Sarona : Dahalo rain-dahiny iray amin’ny halatr’omby no saron’ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny kaominina Angavokely, distrikan’i Besalampy ny alatsinainy teo. Tokantranon’olona iray manana omby sivy no norobainy tamin’io fotoana nahatrarana azy io. Tafavoakany tao am-bala ny omby saingy noho ny ezaky ny fokonolona dia tafaverina amin’ny tompony soa aman-tsara avokoa izany.
Mpiasam-panjakana : Tsy mbola azo tanterahina amin’izao fitondrana tetezamita izao, hoy ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny atitany ny fanatanterahana ny fitakian’ny mpiasam-panjakana ny amin’ny hampitoviana ny “grille indiciaire”-n’izy ireo. Volana vitsy mantsy sisa, hoy ihany ity tompon’andraikitra ity dia hifarana ny tetezamita ka izay fangatahana azo tanterahina ao anatin’izay fotoana izay ihany no mety ho azo hotontosaina.
Fivoriambe : Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fivoriambe tsy ara-potoana notanterahin’ireo mpikambana eo anivon’ny “Justice et Paix” manerana ny Nosy. Noho ny fahitan’izy ireo fa marary ny firenena no antony nanatanterahany izany. Anisan’izany, hoy ny Sekretera jeneralin’ny fikambanana Mompera Alain Thierry ary tena zava-doza ny finiavana hanao pôlitika tsy mitandro ny fiandrianam-pirenena.
Cepe andrana : Tontosa ny alatsinainy teo ny fanadinana andrana Cepe taona 2010 notontosain’ireo mpianatra ao amin’ny taona fahadimy manerana ny Nosy. Fantatra taorian’izany fa ny taranja kajy no mbola manahirana ny mpiadiana raha efa voafolaka tsara kosa ny taranja sisa rehetra. Marihina fa efa tonga eo anivon’ireo sekoly tsirairay avy avokoa ankehitriny ny taratasy fiantsoana adina hiantsoana ny mpianatra.
Antotanisa : Handray mpiasa vaovao 50 ny Ivontoeram-pirenena momba ny antotanisa na Instat amin’ity taona 2010 ity. Ny 25 jona ho avy io no fara-fisoratana anarana ho an’ireo izay liana amin’izany raha ny 27 sy ny 28 jona kosa no hanatontosana ny fanadinana. Natao ho an’ny rehetra ny fifaninanana ary miparitaka manerana ny Nosy. Ny Ministeran’ny toekarena sy ny Ministeran’ny asam-panjakana ary ny Cnfa sy ny Instat no tompon’antoka amin’izany.
Fetin’ny 26 jona : Tsy diso anjara amin’ny fitrotroana am-bavaka ny firenena ireo mpino silamo eto an-drenivohitra amin’izao fankalazana ny tsingerin-taona faha-50-n’ny fahaleovantena izao. Ao amin’ny Mosquée 67 ha no hanatontosan’izy ireo izany ny zoma 18 jona ho avy io. Toraka izany koa ny mpino advantista izay hiatrika izany eny Soamanandrariny ny 19 jona raha eny Antsahamanitra kosa ny an’ireo fiangonana mivondrona eo anivon’ny FFKM sy ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy.
Tohana ara-tsakafo : Ankizy 700 isa ao amin’ny distrikan’Ifanadiana, zanaka fianakaviana sahirana ara-pivelomana hiatrika ny fanadinana Cepe no notoloran’ny ministry ny mponina Nadine Ramaroson tohana ara-tsakafo toy ny vary ny alatsinainy teo. Natao haharitra ireo ankizy ireo mialoha ny fotoana hiatrehany ny fanadinana ny sakafo mba hisy fiantraikany mivantana amin’ny voka-panadinana
Hery fampandrosoana : Handray tovolahy 60 isa hanatevin-daharana azy ny hery fampandrosoana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ao Tolagnaro. Nivoitra izany nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety notarihin’ny lefitra voalohan’ny komandy Rafaramanana Gabriel omaly.
OMAPI : Nampahafantatra ny andraikitra sahaniny tamin’ny mponina ao Mananjary omaly ny Ofisy Malagasy momba ny fizaka-manana ara-tsaina na OMAPI. Nibahan-toerana nandritra izany ny fanazavana mikasika ny fizanka-manana izay lalana iray hiarovan’ny isam-batan’olona ny zavatra novokariny na noforoniny.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.