Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 14 Jona 2010


EKAR : Lamesa lehibe no nitsofan-drano ary nametrahana amin’ny fiketrahana maha Eveka Mpanampy vaovao ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, Mgr Raoelison Jean de Dieu. Tao amin’ny kianja Md Misely Amparibe no nanatanterahana izany, notarihin’ny Arsevekan’Antananarivo Mgr Razakanakolona Odon Marie Arsène. 

Lalàmpanorenana : Antontan-taratasy 150 mirakitra ireo soso-kevitra entina hamolavolana sy handrafetana ilay lalàmpanorenana vaovao amin’ny 230 voaray no efa voadiniky ny Komity misahana izany eny Tsimbazaza hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Fantatra nandritra ny fanomezam-panazavana nataon’ny filohan’ity komity ity, fa saika mitovy avokoa ny fahitan’ny mpandraharaha sy ny mpanao politika ary ny olon-tsotra ny hetahetan’ny vahoaka ao anatin’ireo soso-kevitra natolony ireo. Anisan’izany ny fangatahana ny mba tsy hisian’ny fanamparam-pahefana intsony sy ny fanomezana fahefana bebe kokoa ny Parlemantera.
 
Aoka izay : Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Epp Ambanilalana Itaosy, ny hetsika hiadiana amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona, nokarakarain’ireo fikambanana sy Ong maro miahy ny zaza kamboty sy sahirana. Filaharambe namakivaky ny tanàna niarahana tamin’ireo mpianatra eny anivon’ireo sekoly sasantsasany eny Atsimondrano no nisantarana ny lanonana.
 
Fahasalamam-bahoaka : Hohatsaraina ny fitantanana ny fanafody any amin’ny distrikan’Ampanihy. Hohatsaraina toraka izany ihany koa ny kalitaon’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny fampitomboana isa ny mpitsabo izay hiarahana amin’ny Unicef. Nivoitra ireo nandritra ilay atrikasa naharitra hateloana notontosaina tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo.
 
Iray volan’ny ankizy : Nanamarika ny iray volan’ny ankizy ny tany amin’ny distrikan’Antalaha ny faran’ny herinandro teo. «Vahoaka mijoro manova ny tontolo iainan’ny ankizy» no lohahevitra nampitondraina ny hetsika izay niompana tamin’ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny zon’ny ankizy. Anisan’izany ny tokony handehanan’izy ireny any an-tsekoly, ny tokony hilalaovany…
 
Torohevitra : Nanome torohevitra ho an’ireo mpianatra manomana bakalôrea any amin’ny faritra avaratra ny fikambanana Records ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny alalan’ny valandresaka narahina adihevitra no nihaonan’ny roa tonta izay nanomana ireo mpianatra ireo sahady ny amin’ny lalam-piofanana tokony harahiny aorian’ny fiatrehany ny fanadinany.
 
Kaominina Ivato Firaisana : Manano sarotra ihany zava-misy ao amin’ny Kaominina Ivato Firaisana ankehitriny. Tsy mitovy hevitra ny mponina. Misy amin’izy ireo no manohana ary maniry ny hitazonan’ny Ben’ny tanàna lefitra ny toeran’ny Ben’ny tanàna raha misy kosa ireo manohitra izany ka mangataka ny hametrahana Pds vaovao.
 
Handray anjara : Vonona ny hanova ny tantaram-pirenena ny fikambanana MDM mba hananan’i Madagasikara endrika tsara. Tafiditra ao anatin’izany ny governemanta iraisana ho taratry ny firaisam-pirenena. Io no nambaran’ny filohan’ny MDM, Pierrot Rajaonarivelo nandritra ny fihaonany tamin’ny mpomba azy tao amin’ny Espace Mon Goûter Andrefanambohijanahary ny sabotsy 12 jona teo. Handray anjara amin’ny dinika santatra hatao eny anivon’ny distrika sy ny fihaonambem-pirenena ny MDM.
 
Fanondranana tantely : Ho afaka hanondrana tantely any ivelany isika manomboka amin’ny taona 2011 raha tsy mbola nahitam-bahaolana kosa ny mikasika ny hena maty sy velona. Io no nambaran’ny Minisitry ny fiompiana, Maharante Jean de Dieu tao Toamasina izay tafiditra ao anatin’ny ezaka tontosain’ny minisiterany amin’ny ady atao amin’ny ankivy.
 
Hitohy : Hitohy ny ezaka fanomezana kopia mari-pahaterahana sy kara-panondrom-pirenena ho an’ireo ankizy sy olon-dehibe tsy mbola manana izany manerana ny lafin-tany. Mandra-pahatongan’ny faran’ny taona no hanatontosana izany, miainga eny anivon’ny fokontany sy ny kaominina.
 
Feno 10 taona : Mankalaza ny fahafolo taona niorenany ny sekoly tsy miankina “Mini-pousse etsy Ambatobe”. Fanomezan-toky amin’ny fanatsarana ny pedagôjia sy ny fotodrafitrasa no fampanantenana nomen’ny talen-tsekoly raha nandray fitenenana izy nandritra ny fotoam-pivavahana nanokafana ny fankalazana.
 
Fotodrafitrasa : Afa-pahasahiranana ny mponina ao amin’ny kaominina Tsinjoarivo 22, distrikan’i Tsiroanomandidy. Lalana mirefy 5 km no nasiam-panamboarana ary efa azo ampiasaina hahafahan’ny mponina sy ny vokatra mifamezivezy. Tonga nijery ny zava-bita tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo ny lehiben’ny faritra Bongolava.
 
Fifanakalozana : Hanangana tsena iraisana ireo Kaominina maromaro ao anatin’ny distrikan’i Mahanoro. Izany no hatao dia mba hahafahan’izy ireo mifanakalo traikefa, indrindra hanomezana tombon-dahiny ny mponina amin’ny fifamezivezena sy ny fifanakalozana vokatra. Hisy ny famolavolana lalàna hiarahan’ny Kaominina mandrafitra ato ho ato izay havadika ho lalàna hifehy ny rehetra.
 
Kara-tany : Kara-tany 913 no natolotra ireo tantsaha mpamokatra manerana ireo Kaominina efatra ao anatin’ny distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia ny faran’ny herinandro teo. 10.000 Ar isaky kara-tany iray no fandraisana anjaran’ny tantsaha entina hitsinjovana ny tantsaha amin’ny olana hateraky ny ady tany.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT