Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 11 Jona 2010


Diplaomasia : Nifandimby nanolotra ny taratasy manendry azy ireo avy ho masoivohon’i Pakistan sy Torkia tamin’ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, omaly, i Muhammad Siddique sy Ercumünd Ahmet. Tao amin’ny lapam-panjakana Iavoloha no nanatanterahana ny lanonana mahakasika izany. Noraisin’ny Praiminisitra Camille Vital teny Mahazoarivo ny masoivohon’i Pakistan ny tolakandro. 

Mondial 2010 : Hisokatra amin’ny fomba ofisialy anio atsy Johannesbourg Afrika Atsimo ary haharitra iray volana ny andiany faha-19 amin’ny Mondial. Aorian’ny lanonam-panokafana dia hisantatra ny lalao ny fihaonan’ny Afrika Atsimo mpampiantrano sy ny ekipam-pirenena Meksikanina. Manaraka eo, saingy amin’ny kianja hafa ny lalao hifanandrinan’i Frantsa sy Uruguay.
 
Tokony hiavaka tsara : Tsy ireo mpanao politika ihany fa tonga nanolotra ny soso-keviny amin’ny famolavolana lalàmpanorenana vaovao fa teo ihany ireo mpandraharaha iraisam-pirenena toa an-dRajaonarivelo Bruno. Ho an’ity farany dia firenena iray tsy azo zarazaraina i Madagasikara. Tokony ho hita mazava ao anaty lalàmpanorenana izany, hoy izy. Tokony hiavaka tsara ihany koa ny fahefan’ny filoha sy ny governemanta ary ny mpanao lalàna mba hisorohana ny fifanitsahana andraikitra, hoy ihany izy.
 
Laharam-pahamehana: Ho an’ny Vondron’ny avara-pianarana kosa indray dia ny fanatontosana fifidianana marina sy mangarahara no laharam-pahamehana. Io ihany mantsy hoy ny filohan’ity fikambanana ity no hahazoan’i Madagasikara fankatoavana eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena.
 
Asa tanana : Tany Ambositra omaly no nanamarihana tamim-pomba ofisialy ny fankalazana nasionaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asa tanana. Vonona ny Minisiteran’ny fizahantany izay mpiahy mivantana ity sehatra ity hanohy ny ezaka efa natombony toy ny fanofanana ireo mpanao asa tanana. Miisa 1.200 no nahazo tombontsoa tamin’izany tamin’ny taon-dasa raha nahatratra 11 tapitrisa Euro kosa ny vokatry ny asa tanana naondrantsika tany ivelany. Mahatratra 2 tapitrisa moa ankehitriny ny isan’ireo olona mivelona amin’ity asa tanana ity.
 
Ady amin’ny valala : Amin’ny herinandro ho avy io raha tsy misy ny fiovana no ho tonga ilay ranom-panafody famonoana valala iray alina litatra nohafarana avy any ivelany. Amin’ny fotoana fanatodizan’ny valala no hampiasana ity ranom-panafody ity araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra hahafahana mamono azy miaraka avy hatrany.
 
Tsy ampy : Nitombo 100 ireo mpamory hetra eo anivon’ny foibem-pitondrana ankapoben’ny hetra. Ny alarobia teo no navoaka tamim-pomba ofisialy izy 100 mianadahy ireo rehefa niofana volana vitsivitsy. Mbola hiampy 100 indray izy ireo amin’ny taona 2011 raha hahazo namana, toraka izany ihany koa ny “Agent des Impôt”. Tsiahivina fa mahatratra 1.536 ny isan’ireo mpiasa eo anivon’ny foibem-pitondrana ankapoben’ny hetra ankehitriny na izany aza dia tsy ampy, miohatra amin’ny isan’ny mponina namerana ny Nosy.
 
Antsirabe : Vonona ny hiaro ny safidiny hatramin’ny farany ny vahoakan’Antsirabe. Nisy ny hetsika izay notontosain’izy ireo tany an-toerana nanomboka ny alarobia hariva ho fanoherana ny resabe izay mandeha fa hosoloina Pds ihany koa ny Ben’ny tanàna. Nilamindamina tao an-tanàna omaly.
 
Kara-tany : Kara-tany 1.402 isa no nozaraina tamin’ireo tantsaha nangataka izany tany amin’ny kaominina Ambatomanjaka, distrikan’i Miarinarivo ny alarobia teo. Tompon’antoka tamin’ny fanatanterahana izany ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany. Fanitso 80 isa sy simenitra roa taonina kosa no natolotr’ity minisitera ity ny Ceg ao amin’ny fokontany Igararana, distrikan’i Miarinarivo ihany tamin’io andron’ny alarobia io, izay marihina fa Ceg voalohany ao an-toerana.
 
Fetin’ny 26 jona : Haparitaka ho fanta-bahoaka manerana ny Nosy ny sary famantarana ny fankalazana ny faha-50 taona nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena. Homena afomanga daholo ihany koa ny Distrika tsirairay avy. Fantatra izany nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny serasera, Malazarivo Félix tamin’ny mpampahalala vaovao tao amin’ny foiben’ny ORTM Anosy omaly.
 
Enga anie : Ho tonga mialoha ny fetin’ny 26 jona ho avy io ny anjara volan’ny kaominina tsirairay avy na ny “Budget de fonctionnement” hahafahan’izy ireo miasa ho amin’ny fampandehanan-draharaha. Toraka izany ihany koa ny FDL na Tahiry ho Fampandrosoana Ifotony, ho an’ireo izay tsy mbola nahazo izany. Io no nambaran’ny Minisitry ny fanajariana ny tany nandritra ny fandalovany tao Miarinarivo ny alarobia lasa teo.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT