Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 10 Jona 2010


Fanomezan-dra : “Manomeza ra dieny mbola tanora”. Io no lohahevitra hitondrana ilay hetsika fankalazana ny andro eran-tany ho an’ny fanomezan-dra ny 14 jona ho avy io. Eny Ambohimahitsy no hanamarihana ofisialy izany ho an’ny eto an-drenivohitra. Tsiahivina fa nahatratra 240.046 isa ny kitapon-dra voaangon’ny foibe fitehirizan-dra etsy amin’ny hopitaly Hjra tamin’ny taona 2009. Olona 102.775 no tonga nanolotra izany ka ny 77 %-n’ireo no nanolotra izany ho an’ny fianakaviany raha nanolotra an-tsitrapo kosa ny ambiny. 

Diplaomasia : Masoivohom-pirenena telo no nandao tanteraka an’i Madagasikara, lasa mangingina, ny herinandro lasa iny, dia ny ambasadaoron’i Etazonia, Niels Marquardt, ny ambasadaoron’i Alemaina, Dr Moser ary ny solontenan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena, Pierre Van den Boogaerde. Omaly kosa no nanolotra ny dika mitovin’ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara, ny ambasadaoro Pakistaney vaovao, ny jeneraly Muhammad Siddique. Anio raha tsy misy ny fiovana no hifandimby horaisan’i Andry Rajoelina eny Iavoloha izy sy ny ambasadaoro vaovaon’i Torkia.
 
Heloka maro : Gadra roalahy no saron’ny mpitandro ny filaminana namaky trano tany Amparafaravola ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy 07 jona lasa teo. Heloka maro no mbola anenjehana azy roalahy ireto, araka ny vaovao voaray, toy ny fandrobana sy ny vono olona izay fototry ny nampidirana azy ireo am-ponja.
 
Doro trano : Tokantranon’olon-tsotra roa samy hafa no nodoran’olon-tsy fantatra, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo tany amin’ny fokontany Tanambao Golf, distrikan’Ambatondrazaka. Na izany aza vetivety dia voafehin’ny fokonolona ny afo ka tsy nisy ny aina nafoy na ny entana simba. Tokantrano iray no nisantaran’ireo olon-tsy fantatra ny setrasetrany. Nitohy tamin’ny tokantrano iray 200 m, miala itsy voalohany izany saingy mbola voafehy ihany. Misokatra ny fanadihadiana mikasika ireto doro trano ireto.
 
Mangarahara : Mitaky ny hanaovana fifidianana mangarahara, handraisan’ireo firehana telo misy anjara ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana. Nisongadina io nandritra ny fivorian’ny Minisitra notontosain’ny mpikambana tatsy amin’ny Nosy Maorisy ka nanaovany fanambarana ny talata teo. Ny mba hankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena an’i Madagasikara no tanjon’izy ireo araka ny fampitam-baovao voaray.
 
Manahy : Manahy mafy ny amin’ny fihemoran’ny datim-pifidianana lava hotontosaina eto amintsika ny fikambanana Justice et Paix. Nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny fikambanana, mompera Raharison Alain Thierry fa raha resy lahatra amin’ny fiatrehana izany marina ny Fanjakana dia tsy tokony ho vato misakana ny tsy fananam-bola.
 
Asa fanaovan-gazety : Banga iray ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry afak’omaly hariva teo amin’ny faha-76 taonany Ranaivosoa Georges mpanao gazety zokiolona sady mpamorona ny Revue de l’Océan Indien (R.O.I), tompon’ny trano printy MadPrint. Namela mananon-tena iray sy kamboty dimy mianadahy ny maty. Ny sabotsy ho avy io no hanaterana ny nofo mangatsiakany any amin’ny fasan-drazany.
 
Varotra : Nihaona tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy amin’ny varotra anatiny tetsy amin’ny Antenimeran’ny varotra Antaninarenina omaly maraina ny Minisitry ny varotra vaovao Mahazoasy Freddie. Vontoatin’ny fihaonan’ny roa tonta ny nijerena ireo olana sy fanapahan-kevitra tokony horaisina hahafahana manatsara ny kalitao hatolotra ny mpanjifa.
 
Famokarana : Hamboarina ilay tohodrano iray lehibe ao amin’ny lemak’i Manombo, faritra avaratr’i Toliara. Velaran-tanimbary manodidina ny 5.000 ha no hahazo tombontsoa aorian’ny fahavitan’ny fotodrafitrasa, vatsian’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana vola.
 
Tolagnaro : Nitondra fanazavana mikasika ny disadisam-piarahamonina misy eo amin’ny orinasa QMM sy ny mponina ao Tolagnaro ny Minisitry ny toekarena, Fihenena Richard. Nambaran’ny ministra fa tokony halamina ny disadisa misy eo amin’ny roa tonta mba hirindran’ny fiarahamonina. Tokony hanaja ireo mpandraharaha eo anivon’ny QMM ny mponina, hoy izy noho iretsy voalohany mampiasa volabe entina hanasoavana ny firenena. Toraka izany koa ny QMM, hoy ihany izy, indrindra ho an’ireo mpanjono voatery nalana tamin’ny toerana niasany.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT