Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 09 Jona 2010


Niato : Niato ny fianarana tao amin’ny Lycée Mixte Antsiranana ny alatsinainy sy omaly talata. Disadisa eo amin’ny Proviseur sy ny mpampianatra ao amin’ity Lycée ity no fototry ny olana, taorian’ny nisiana trakta niely tao an-tsekoly herinandro lasa ity. Nisy fivoriambe nataon’ny mpampiatra ny alatsinainy teo, nisy ny fanangonan-tsonia na mbola ho tazomina na tsia ny Proviseur. 

Nivoitra : Ny vahoaka malagasy no sazian’ny Vondrona Eoropeanina taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ity farany ny alatsinainy teo, fa tsy ny mpitondra ny tetezamita. Nivoitra izany nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny praiminisitra notronin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta Vital, teny Mahazoarivo, omaly maraina.
 
Lesoka : Tokony hisy ny fotoana lavalava natokana handraisana ny torapon’ny mpandray anjara. Tsy maninona na tapa-bolana aza no hanatontosana izany vao miditra amin’ny fikaonan-doham-pirenena tena izy. Io no nambaran-dRadanoara Julien mpahay lalàna no sady mpampianatra raha naneho ny heviny mikasika ny fikaonan-doham-pirenena ny tenany. Lesoka tsy nampanjary ny teo aloha, hoy izy ny tsy firindran’ny fandaminana sy ny fotoana izay mbola tadiavin’ny sasany haverina.
 
Tokony hazava : Tonga nanolotra ny soso-keviny amin’ny famolavolana ilay lalàmpanorenana vaovao teny Tsimbazaza i Mahafaritsy Samuel, masoivoho malagasy any Alzeria. Nambarany fa tokony hapetraka mazava ao anatin’ny lalàmpanorenana vaovao ny lalàna mifehy ny antoko politika. Izany no natao, hoy izy dia hisorohana ny mpitondra tsy ho azon’ny fakam-panahy amin’ny fifikirana amin’ny sezany.
 
Fanamby : Vonona ny hitazona ny maha lohalaharana azy amin’ny famokarana hazo fihinam-boa ny Faritra Vakinankaratra. Fanamby hapetraka amin’ny fanatontosana izany, hoy ny lehiben’ny Faritra ny fiarovana ny tontolo iainana izay antoka iray hitazonana ny toetr’andro tsy hiovaova. Tombony iray ho an’ity faritra ity mantsy ny fananany izany.
 
Sakaizan’ny lalàna : Tsy mikely soroka amin’ny fiarovana ny zon’olombelona ny fikambanana Sakaizan’ny lalàna sy ny fahalalana hatramin’ny taona 2005 niorenany. Ireo olona voafonja nefa tsy meloka no tena ampiany sy ahiany mivantana. Ny tanjon’ny fikambanana moa dia ny hanaovana fanadihadiana araka ny tokony ho izy ka hanafahana sy hanadiovana ilay olona.
 
Miomana : Miomana fatratra amin’ilay fihaonamben’ny tanora hotontosaina any Ouganda amin’ny tapaky ny volana jolay ho avy io ireo mpanao gazety tanora mivondrona ao anatin’ny JMC miasa eo anivon’ireo haino aman-jery telo misy ao an-drenivohitr’i Mahajanga. Saika miompana amin’ny fahasalamana ara-pananahan’ny zatovo no lohahevitra nofidian’izy ireo hoentina hanaovana fanentanana any ivelany.
 
Fandraisana an-tanana : Ankizy 15 mianadahy tratry ny aretina homamiadan’ny ra tsaboina eo anivon’ny hopitalin’ny zaza etsy Tsaralalana no hiantefan’ny fanampiana hotontosain’ny fikambanana Fitia, ao anatin’izao fankalazana ny iray volan’ny ankizy izao. 17 volana no handraisan’ny fikambanana an-tanana ireo ankizy ireo izay eo anelanelan’ny 2 ka hatramin’ny 15 taona. Omaly maraina no vita ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny filohan’ny fikambanana sy ny talen’ny hopitaly.
 
100 taona : Feno 100 taona katroka ny Epp Philbert Tsiranana ao amin’ny kaominina Anjiamangirana, distrikan’Antsohihy. Hisy ny asa fanamboarana sy fanaovana ny fotodrafitrasa ka anisan’ny efa nahazoana famatsiam-bola iray tapitrisa Ariary ny fanoloana ny tafo. Fotodrafitrasa maro no notokanana tamim-pomba ofisialy tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo.
 
Mihitsoka : Bolabola na “bois de rose” an-taoniny maro no mihitsoka tsy azo aondrana ao amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra amin’izao fotoana. Mpandraharaha ara-dalàna sy olon-tsotra tsy nahazo alalana no tompon’izy ireo araka ny vaovao voaray izay samy mikaikaika sy nandrenesana fitarainana avokoa. Ho an’iretsy voalohany dia vola an-tapitrisany maro no mihitsoka, eo am-piandrasana ny sitrapon’ny fitondrana FAT hanomezana ny fahazoan-dalana.
 
Hitsapa hery : Hitsapa ny heriny amin’ny fitiavan’ny vahoakan’Analamanga azy ny fikambanana MDM, tarihin’ny filohany Pierrot Rajaonarivelo. Hisy ny fihaonany mivantana amin’iretsy voalohany etsy amin’ny Espace Mon goûter Andrefanambohijanary ny 15 jona ho avy io.
 
Zokiolona : Nivoaka ny taratasim-bolan’ireo zokiolona telo volana voalohany, ho an’ny Faritra Atsinanana. Efa ela no nampitaraina iretsy voalohany izany ka izao nahitam-bokany izao. Ireo solombavambahoaka teo aloha no tompon’antoka tamin’ny fikarakarana izany.
 
Lalàmpanorenana : Tonga nanolotra ny soso-keviny amin’ny famolavolana ilay lalàmpanorenana vaovao teny Tsimbazaza ny filohan’ny kaoperativa Komafila Randriazanany Victor Lalao. Amin’ny maha olon-tsotra mpikarakara ny lafiny sosialy azy no nahatongavan’ity farany teny an-toerana izay nanantitrantitra fa tsy tokony hataon’ny fanjakana ankilabao ny fiahiana ny fiainana ara-tsosialin’ny mponina.
 
Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT