Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 07 Jona 2010


Fetin’ny 26 jona : Nosokafana tamim-pomba ofisialy ny sabotsy hariva lasa teo, teny Andohalo, ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona, tsingerin-taona faha-50 nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena. Natolotra ho fanta-bahoaka tamin’io andro io ny sarim-pamantarana amin’ny fankalazana sy ny hira faneva mifandraika amin’izany. Nangatsiatsiaka ny lanonana tamin’ny ankapobeny. Tsy maredona amin’ny maha hira faneva sahaza ny jobily volamena azy koa ny hira. Vao maika nanampy trotraka ny lafiny teknika, ny mozika ary ny fanamafisam-peo tamin’io sabotsy io. 

Fanampiana : Ankizy manodidina ny 1 000 manerana ireo kaominina fito ao anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka no notoloran’ny ONN fanampiana tamin’ny alalan’ny koba aina, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza sy ny tondra-drano tany an-toerana. Nahazo antsasa-kilao ny zaza iray tsy ampy lanja tao anatin’ny folo andro araka ny fanadihadiana natao. Hahazo lay misy ody moka maimaimpoana ihany koa ireo mponina any amin’ity distrika ity ny volana aogositra ho avy io. Efa tafatsangana any an-toerana ny birao mpandrindra izany.
 
Fotodrafitrasa : Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny trano vaovaon’ny sampandraharaha misaha ny mponina ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra. Nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny mponina Nadine Ramaroson izay nanararaotra nitsidika ireo ankizy beazina ao amin’ny foibe fitaizana zaza kamboty sy ireo manana olana ara-pahitana taorian’izany.
 
Lavanilina : Hisokatra ny 15 jona ho avy io ny tsenan-davanilina manta manerana ireo distrika manakaiky ny moron-dranomasina eto amintsika. Ny 08 jolay kosa vao anjaran’ireo faritra any amin’ny tapany ambonin’i Madagasikara. 5.000 Ar araka ny tapaka nandritra ny atrikasa notontosaina tao Sambava no hamarotana ny iray kilao raha 40.000 Ar kosa ny lavanilina masaka. Nahatratra 4.000 ireo nandray anjara, nahitana ny solontenan’ny mpamokatra sy mpahandro.
 
Be fanantenana : Tontosa soa aman-tsara ny sabotsy 05 jona teo ny fandidiana ny tanan’ilay kintan’ny baolina kitra ivoarianina, Didier Drogba. Mihevitra ny mpitsabo azy fa mety ho sitrana mialoha ny lalao voalohany handraisan’i Côte d’Ivoire anjara ny 15 jona, ny tanan’ity kapitenin’ny Elefanta ity. Be fanantenana i Drogba fa ho afaka hilalao amin’io fotoana io. Tapaka nandritra ny lalao ara-pirahalahiana nifanandrinan’i Japon sy Côte d’Ivoire natao tany Soisa ny tanany, lalao tafiditra amin’ny fanomanan-tenan’ny ekipa roa tonta.
 
Vonona : Tsy diso anjara tamin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana ny fikambanana Maitso Hasin’i Madagasikara. Nambaran’ny filohan’ny antoko nandritra ny fihaonany tamin’ny mpampahalala vaovao fa vonona izy ny hanohy ny ezaka efa natombony tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tontolo iainana tsy misaraka amin’ny fampandrosoana no tokony hisy eto Madagasikara, hoy ihany izy. Noho izany tokony hiara-hientana sy hifanome tanana ny rehetra.
 
Fiarovana ny tontolo iainana : Hanentana sy hametraka ny ankizy ho tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Fondation Tany Meva. Io no tanjon’izy ireo amin’ny fiaraha-miasany amin’ireo sekoly marobe eto an-drenivohitra hatramin’izao ho fitsinjovana ny hoavin’ny taranaka.
 
Fanentanana : Ny ankizy sy ny tanora izay hoavin’ny firenena kosa ho an’ny foiben’ny fampahalalam-baovao eo anivon’ny Firenena Mikambana no tokony hanaovana fanentanana be indrindra raha tiana hirindra sy handeha araka ny tokony ho izy ny fiarovana ny tontolo iainana. Nisy ny hetsika izay notontosain’izy ireo tetsy amin’ny sekoly Essca Antanimena ny sabotsy 05 jona lasa teo.
 
Mivoatra : Nahafa-po ny voka-bary tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo tamin’ity taona ity. Izany dia noho ny fampiasan’ireo tantsaha mpamokatra ny teknikam-pambolena manaraka ny toetr’andro ankoatra ny voly vary an-tanety.
 
Teknika vaovao : Teknika vaovao maromaro mikasika ny famokarana masomboly ovy no karakarain’ny orinasa Fifamanor ao Antsirabe amin’izao fotoana izao. Teknika hitazonana ny taranak’ovy tsy hiova. Ankoatra ny ovy dia mikarakara masomboly poirreaux sy vomanga koa ny Fifamanor.
 
Nafana : Nafana ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana tany Ankarafantsika, Faritra Boeny ny sabotsy lasa teo. Nahitana solontena avokoa ireo distrika manodidina izay marihina fa samy nandray anjara tamin’ny fanentanana ny rehetra hahay hikajy sy hikojakoja ny tontolo iainana. “Zava-boary an-tapitrisany, planeta iray, ho avy iombonana” no lohahevitra novoaboasana nandritra izany.
 
Lalana : Saika niantefa mivantana tany amin’ny minisitry ny asa vaventy avokoa ny fitarainan’ireo mponina any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy nandritra ny fandalovan’ireo mpikambana eo anivon’ny FAT tany an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Ny haratsian-dalana no tena voaresaka be indrindra.
 
Laharam-pahamehana: Hizarana finday entin-tanana avokoa ireo sefo fokontany any amin’ny faritr’i Sakaraha hahafahan’izy ireo mifandray sy mifampiampita vaovao. Hatao laharam-pahamehana ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny fokonolona hamongorana ny asan-dahalo. Nisongadina ireo nandritra ny fandalovan’ny praiminisitry ny FAT, Camille Vital, tao Sakaraha ny faran’ny herinandro teo.
 
Moto nitsoaka : Moto scooter iray nanao taingin-droa no nandona bisikileta iray nifanena taminy teny Andohatapenaka Itaosy ny sabotsy hariva lasa teo. Potika tanteraka vokatr’izany ny kodiaran’ilay bisikileta teo aloha ka nimenomenona ny tompony. Raha mbola iny variana niresaka iny anefa ity farany no nitsoriaka tampoka ilay moto ary tsy niverina intsony. Fiara maromaro no nanenjika ity farany saingy tsy hita izay nidifiany.
 
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT