Fanairana : manoloana ny nanakatonana ny Radio Fahazavana sy ny nanagadrana ireo mpiasa tao dia nanoratra taratsy tamin’ny masoivoho Malagasy tany Soisa ny Office protestant des Média na ny Média pro sy ny Département Missionnaire Echange et Mission. Hanairana ny masoivoho malagasy sy hangataham-panazavana aminy momba ny zava-nihatra amin’ity onjam-peon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ity sy ny ireo mpiasany no votoatin’izany taratasy izany.
Fanampiana : Taorian’ny «Caisse de Solidarité» napetraky ny Collectif des Journalistes hanampiana ireo mpanao gazety tra-pahasahiranana, ary efa nanolorana vola in-droa miantoana hanohanana ireo mpanao gazety migadra eny Antanimora dia fantatra koa izao fa afaka manantona ao amin’ny varavarana faha-205 ao amin’ny Foibe FJKM izay te hanome fanampiana ho an’ireo mpiasan’ny Radio Fahazavana sy mpiasan’ny Fiangonana voatana am-ponja eny Antanimora amin’izao fotoana izao.
Kolikoly : Misy kolikoly avo lenta mihodina eo anivon’ny fiadidian’ny fahefana avon’ny tetezamita, araka ny fanambarana nataon’ny Tale jeneralin’ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly, ny alarobia 02 jona. Antontan-taratasy roa goavana no voakasik’izany ka ny iray monja no ahitana totalim-bola manodidina ny 1 ka hatramin’ny roa miliara ariary. Tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fiadidian’ny tetezamita ihany araka ny fantatra no tompon’antoka amin’izany. Hisokatra tsy ho ela ny fanadihadiana ifotony mahakasika ny raharaha.
Vonona : Vonona ny hitondra ny soso-kevitra momba ny lalampanorenana ny fikambanana Ambohimanarina Misandratra araka ny nambaran’ny filoha nasionaliny amin’ny maha-olom-pirenena feno azy ireo. Vonona ny hampiampita ny tetezamita mankany amin’ny repoblika fahaefatra ihany koa izy ho fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka.
Fanazavana : Tonga nijery akaiky ny fanatanterahana ny tetikasa fanazavana lalana amin’ny andaniny roa amin’ny lalana digy, eo anelanelan’Andranomena mipaka eny Ankadimbahoaka mandalo an’Ampasika ny filohan’ny delegasion’ny tanànan’Antananarivo niaraka tamin’ny tale jeneralin’ny Jirama omaly. Famatsian-jiro natokana ho an’iny lalana iny ho fitandroana ny fandriampahalemana. Tafiditra sahady ao anatin’izany ny fanomezana endrika ny tanàna ao anatin’ilay tsingerin-taona faha-50 nahazoana ny fahaleovantena.
Banga : Misy andian’olona mangataka ny hampiharana ny lalàna eo anivon’ny kaominina Ivato Firaisana. Banga mantsy, hoy izy ireo ny toeran’ny Ben’ny tanàna, noho ity farany voarohirohy ara-pitsarana. Na izany aza mizotra araka ny tokony ho izy ny asa fampandrosoana. Vita tao anatin’ny iray volana monja ohatra ny fandraofana ireo fako nivangongo nanerana ny tanàna, niakatra ihany koa ny karaman’ny mpiasa ary nahazo fanamiana ny kartie mobile.
Karatra : Ny 12 sy ny 13 jona ho avy io no hotontosaina etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ilay “tournoi de belotte” karakarain’ny Projector. Mpandray anjara miisa 2 000 no andrasana mandritra izany izay tsy maintsy mandalo dingana telo mialoha ny dingana famaranana. Ny tanjona moa, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra dia ny hanampiana ireo mpilalao hiditra amin’ny sehatry ny matihanina.
Mpivarotra amoron-dalana : Sahirana ny kaominina Antananarivo renivohitra amin’ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana mitoby etsy sy eroa. Efa nisy mantsy ny fanapahan-kevitra noraisina ny amin’ny hakana azy ireny saingy vato misakana indray ny fahatongavan’ny fetin’ny 26 jona.
Kara-tany : Olona am-polony no nozaraina kara-tany omaly tao Mandritsara. Hitohy any amin’ireo kaominina efatra manodidina izany amin’ity herinandro ity ho fisorohana ny olana ateraky ny fananan-tany. Nisy ny fivoriana niarahan’ireo Ben’ny tanàna miisa 28 notarihin’ireo lehiben’ny sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana taorian’izany.
Asa tanana : Hanatontosa fampirantiana etsy amin’ny garan’i Soarano manomboka anio 04 jona ireo mpanao asa tanana sy ireo mpahay kanto miara-miasa akaiky amin’ny fikambanana AVA. Fampirantiana arahina adihevitra horavahin’ireo sary sy horonan-tsary karakarain’ireo manan-talenta amin’izany. Hampiavaka ity hetsika indray mitoraka ity ny fisian’ireo fivondronan’ny artista maromaro izay tsy mbola fahita hatramin’izay.
Fandresen-dahatra : Nitondra ny anjara birikiny amin’ny fanalana ireo olana manana olana amin’ny fisotroan-toaka ihany koa ny SMLT eny Mandrosoa Ivato. Ivotoerana mitsabo olona misotro toaka sy mifoka sigara izy io, manana tanjona hanampy ny mpiara-belona. Nambaran’izy ireo nandritra ny hetsika nataony àry fa ny fandresena lahatra ilay olona misotro na mifoka tsy hiverina hihinana intsony no tena olana raha tsy dia sarotra loatra kosa ny manafaka azy.
Niofana : Niofana momba ny famolavolana teti-bola mahakasika ny rano fisotro madio, ny fidiovana sy ny toeram-pidiovana ireo Ben’ny tanàna 22 ao anatin’ny distrikan’i Manja sy Mahabo, faritra Menabe. Ny tanjona moa araka ny vaovao voaray dia ny mba hahafahana manome rano fisotro madio ny 65 %-n’ny mponina raha 70% kosa ny toeram-pidiovana sy fidiovana.
Vita : Fotodrafitrasa maro efa vita eo anivon’ny kaominina Talatamaty na dia mandalo krizy aza ny firenena. Anisan’izany ny tsena vaovao, hampiasain’ny mpivarotra sy ny Epp ao Fitroafana. Lalan-kely maromaro indray no hasiam-panamboarana ato ho ato ka anisan’izany ny ao amin’ny Fokontanin’Antanifotsy izay efa mampitaraina ny mponina tokoa. Ny Fdl no hamatsy vola izany.
Fandraisana anjara: Tokony hotazonina ny lalàmpanorenana farany nanome lanja ny fiarovana ny rano sy ny tany. Tokony hatsangana ihany koa ny komitin’ny olon-kendry hialana amin’ny fidinana an-dalambe toy ny nisy teo aloha, rehefa hanova mpitondra. Ireo no nambaran’ny antoko maitso hasin’i Madagasikara raha naneho ny heviny mikasika ny fandraisany anjara amin’ny famolavolana ny lalàmpanorenana vaovao ny mpikambana.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.