Tolo-kevitra : Mitohy eny Tsimbazaza omaly tontolo andro ny fandraisan’ny Komity fakan-kevitra momba ny lalàmpanorenana ireo tolo-kevitra samihafa hoentina handrafetana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4. Natokana ho an’ireo filohan’antoko sy ny mpanao politika ary foloalindahy ny andro omaly. Anio no hifarana ny fandraisana tolo-kevitra ka ny fiarahamonim-pirenena no hamarana izany.
Famatsian-drano : Napetraka tamim-pomba ofisialy omaly tao Ambovombe Androy ny tale jeneraly vaovaon’ny tetikasa AES (Alimentation en Eau du Sud). Tao amin’ny sekoly Sacré Cœur no nanatontosana ny lanonana, notarihin’ny Praiminisitry ny FAT, Camille Vital. Nambaran’ity farany nandritra izany fa hisy asa goavana hafa hotontosaina any amin’ity distrika ity amin’ity taona 2010 ity izay vatsian’ny Banky Afrikanina momba ny fampandrosoana vola.
Tontolo iainana : Tetsy Analakely omaly no nanokafana tamim-pomba ofisialy ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana. Hetsika maro samihafa no nanamarihana izany toy ny asa fanadiovan-tanàna… niarahana tamin’ny Skoto. “Karazan-javaboary an-tapitrisany, planeta iray, ho avy iombonana” no lohahevitra nampitondraina ny hetsika izay hotohizana amin’ny alalan’ny diaben’ny tontolo iainana hihazo an’Ankarafantsika any amin’ny Faritra Boeny.
Hiaro : Mijoro any amin’ny distrikan’i Maroantsetra ny fikambanana “Zanadrazana Tsimaroa” ivondronan’ireo olobe sy ny tanora hiaro ny tombontsoan’ny mponina. Nihaona tamin’ireo solontenam-panjakana any an-toerana izy ireo omaly antoandro nitondra sy nampahafantatra ny hetahetany. Nisy ny fepetra noraisin’ny fikambanana momba ireo hazo sarobidy misy any aminy toy ny “bois de rose”. Takiany koa ny hampijanonana ao Maroantsetra ireo hazo sarobidy giazan’ny fanjakana. Toraka izany ny tokony hiverenan’ny tamberim-bidy avy amin’ireo hazo efa navoaka ary ny fampiatoana faran’izay haingana ny fitrandrahana ny hazo izay mahazo vahana any an-toerana.
Hain-trano : Olona folo mianaka no tsy manan-kialofana. Io no vokatr’ilay hain-trano nateraky ny afon-dabozia nitranga tao amin’ny Fokontany Tanambao V 1391 Toamasina ny alin’ny alatsinainy 31 mey teo. Mitentim-bidy 13 tapitrisa Ar ny entana sy lelavola may ankoatra ny fitaovam-pianaran’ny mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana tsy ho ela. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy.
Atrikasa : Hifarana anio eny amin’ny hotel Panorama Andrainarivo rehefa naharitra roa andro ilay atrikasa entina hanofanana ireo mpiasan’ny minisiteran’ny fitantanam-bola miisa 144 mianadahy. Hiaraha-manatontosa amin’ny birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly na Bianco izany izay tafiditra indrindra amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa. Ireo mpiasa mikirakira ny fandaniam-bola no tena voakasik’ity atrikasa ity.
Fihaonambem-pirenena : Tsy mbola nandrenesam-baovao hentitra hatramin’ny omaly ireo ankolafy roa dia ny ankolafy Didier Ratsiraka sy Zafy Albert mikasika ny hanatrehany na tsia ilay fihaonambem-pirenena karakarain’ny fitondrana Fat. Ho an’ny ankolafy Ravalomanana dia mazava ny resaka fa tsy hanatrika izany izy ireo noho ity fihaonambem-pirenena ity izay toa mandeha ila ihany. Marihina fa mbola mitohy ny tolona iarahan’izy ireo etsy amin’ny Magro Behoririka.
Fiofanana : Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly ary haharitra efatra andro ilay fiofanana tontosaina eny amin’ny foiben-toeran’ny fakiolten’ny teôlôjia Ambatonakanga. Hovoaboasana mandritra izany ny mikasika ny ekiominisma eto Madagasikara. Ny heriny, ny fahalemeny, ny fototra hiorenany, ny toerana misy azy manoloana ny fahasamihafana…izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-30 taonan’ny fakiolte.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.