Actualités

Tapany


  • Alatsinainy 03 Mey 2010


 

Tapatany
 
Re indray : Re feo tao amin’ny radio nasionaly malagasy (RNM) nandritra ny fampahalalam-baovao omaly atoandro ary tao amin’ny fahitalavitra nasionaly (TVM) ny hariva i Marc Ravalomanana sy ny amiraly Didier Ratsiraka. Fanin-droany ho an’ity farany tato anatin’ny herintaona izay, raha toa ka tamin’ny 17 martsa 2009 no nandrenesana ny feon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tao amin’io onjampeom-pirenena io, raha nikabary nilaza ny hamindrany fahefana tamin’ny «Directoire Militaire» izy tamin’izay, kabarary izay tsy tontosa hatramin’ny farany fa tapaka raha vao nandeha roa minitra monja.
 
Lalam-pirenena faha-4 : Olona 4 no maty, 11 hafa naratra mafy. Ireo no vokatr’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga tao Marotaolana any amin’ny lalam-pirenena faha-4 ny zoma alina lasa teo. Fiarakodia mpitatitra olona iray an’ny kaoperativa  Kofmad no latsaka tany anaty tetezana vokatry ny fandehanana mafy loatra. Nisy ihany koa tamin’io andro io ny fivadihana fiara vaventy iray vokatry ny fipotsahan’ny tsindry hisatra.
 
Oniversiten’i Toliara : Nodimandry afak’omaly sabotsy i Ndata Philbert, mpampianatra iray eo anivon’ny oniversiten’i Toliara. Teo amin’ny faha-66 taonany izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao vokatry ny aretina nahazo azy. Omaly no niainga tao amin’ny tranon-janany ao Iavoloha ny razananitodi-doha ho any an-tanindrazany.
 
Soratsoratra : Natomboka omaly ny fizarana ny vatsim-pianarana roa volana miampy ny fampitaovana ho an’ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’Antsiranana. Etsy ankilany dia mandeha ny feo fa mety mbola hidina an-dalambe indray ny mpianatra amin’ity anio ity ary mety ho antony politika ny resaka. Feno soratsoratra ny rindrina sy tamboho ao an-tanàna taorian’ny nisian’ny fitifirana ka nahafatesana mpianatra iray avy any Antalaha sy naharatrana olona enina hafa tamin’ny fotoana handefasana ity razana ity any an-tanindrazany.
 
Tsy an’asa : Hamolavola tetikasa entina hanohanana ireo very asa sy tsy an’asa ny kaoperativam-pitaterana iray eto an-drenivohitra sy ny kaominina Antananarivo renivohitra. Hisy ny fampindramam-bola tsy misy antoka iretsy voalohany ka vonona marina ny hioitra amin’ny fiainana. Manodidina ny 4 alina ka hatramin’ny 1 hetsy Ar izany, tsy misy antoka, tsy misy zana-bola saingy averina ao anatin’ny enim-bolana.
 
« Amie de la sagesse » Ambohipo :  Notoloran’ny Ministeran’ny mponina fanampiana ny Amie de la sagesse, fikambanana iray miahy ireo zaza zanaky ny sahirana sy kamboty eny Ambohipo. Lelavola 125.500 Ar no natolony tamin’izany niampy kojakoja maro samihafa. Ankizy 50 isa no beazina ao amin’ity fikambanana ity, efatra ka hatramin’ny 20 taona latsaka.
 
Ambohijatovo : Lehilahy iray manodidina ny 30 taona no maty teo akaikin’ny tranon-jirobe eo Ambohijatovo omaly maraina rehefa mamo ka tsy afa-nitsangana teo amin’ny toerana nianjerany. Ny avy ao amin’ny mpamonjy voina no naka ny razana teny an-toerana ary nametraka azy any amin’ny toerana sahaza izany. Marihina fa mamo io lehilahy io.
 
Lozam-pifamoivoizana : Bemoto roalahy no naratra mafy ary voatery naiditra hopitaly eny amin’ny HOMI Soavinandriana hatramin’ny sabotsy teo. Hiazo an’Ivato hamonjy ny fahatongavan’i Andry Rajoelina izy ireo no niharan-doza teo Andavamamba raha nijanona tampoka niala fiara karetsaka ny teo anolona. Nifatratra teo aminy ny avy aty aoriana ka nampipitika ny mpitaingina ilay moto ary mbola nahavoahitsaka azy koa, toy izay koa ny moto avy ao aoriana. Taolan-tratra maromaro no tapaka ny an’ilay voahosin’ny moto, ratra vokatry ny fanjerana kosa no nahavoa ny faharoa. Nifandimby namangy azy ireo teny amin’ny HOMI ny Praiminisitra Camille Vital sy i Mialy Rajoelina. Fantatra tamin’izany fa tsy misy fiantohana ireto moto mpisava lalana ny filoha ireto ary tsy ampy fiarovana amin’ny loza koa ny mpitaingina.
 
Cnaps sy Ostie : Hijery akaiky ireo olona tratry ny fampiatoana ara-teknika sy ireo tsy an’asa ny cnaps sy ny ostie. Ho an’itsy voalohany dia hisy ny fandoavana tsy tapaka ny volan-jaza isam-bolana ho fanampiana ny mpiasa tsy an-kanavaka
 
Voasambotra : Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy teny Ankadimbahoaka teny nitondra taolampaty milanja 46 kg raha niala ny fiara nitondra azy avy any amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany iny. Rehefa nofopotoran’ny mpitandron’ny filaminana ity lehilahy ity dia nilaza fa mpitondra ihany izy fa olona hafa no naka ireo taolan’olona ireo tany Irondro Kianjavato ary haterina eto Antananarivo.
 
Hihaona : Raha tsy misy ny fiovana, dia hihaona amin’ny foloalindahy i Andry Rajoelina anio alatsinainy. Hanolotra sori-dalana ny tenany amin’izany.
 
Vaky bantsilana : Nisy ny hetsika nataon’ny GTT International tao amin’ny boriborintany faha-10, tao Parisy, hamakiana bantsilana ny zavatr ataon’i Lafransta
 
Fizahantany : Ho fampandrosoana ny fizahantany dia misy tolotra vaovao nataon’ny Air Madagascar. Nihena ny saran-dalana mampifandray an’i Nosybe sy Anatananarivo, raha avy any Parisy.
 
Ankaranana : Hahazo herinaratra ity toerana ity. Toby photovoltaique no hamatsy izany angovo izany, ka ny hopitaly sy ireo toerana fampiasam-bahoaka no tena hahazo tombony amin’izany.
 
Nangonin’i Pati sy Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

  • Fanasohasoana sy fisolelahana be fahatany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Lasa tsipy hoditr'akondro

  • ANTSIRANANA
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Tsy ampy ny solika, misy sahady ny fanararaotana

  • Eliace Ralaiarimanana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Fitiavan-tanindrazana ny

  • Fiaraha-miasa marolafy
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

amin’ny Rosianina

Hijery ny tohiny
FTT