Actualités

TAPANY


  • Zoma 04 Septambra 2015

Fitsarana Hivoaka anio ny didim-pitsarana mikasika an’i Jean Pierre, ilay mpianatra taona voalohany amin’ny lalampiofanana Malagasy eny Ankatso, nosamborin’ny Emmo-Reg tamin’ny fomba feno habibiana teny Ankatso tamin’ny alatsinainy 31 aogositra 2015, nampangaina ho miketrika fanonganam-panjakana sy manao fihetsiketsehana an-dalambe tsy nahazoana alalana.


 

Antsiranana
Olona telo no voasambotra ka zandary efa voaraoka tamin’ny asany ny roa, heverina fa tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay lehilahy teratany Italiana Adélio Corno tany Antsiranana ny alin’ny alatsinainy teo. Mitohy ny fanadihadiana.

Mpiompy tantely
Manodidina ny 3 000 ankehitriny ireo mpikambana mivondrona amin’ny Federasionan’ny mpiompy tantely. Avy amina kaoperativa miisa 19 sy fikambanana 190 izy ireo, ary mielipatrana amin’ny Faritra miisa 9.

«Jeux de Melaky»
Hotanterahina ao Besalampy ny 5-13 septambra 2015 ny andiany faha-27 amin’ny «Jeux de Melaky» izay ifanandrinan-dalan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena.
Mitaraina ireo mpandray anjara noho ny tsy firindran’ny fitaterana an-dranomasina mihazo an’i Besalampy. Mampatahotra anefa ny zotra an-tanety noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana amin’iny faritr’i Melaky iny.

Vontovorona
Mbola manjavozavo ny tena fotoana hiverenan’ny fampianarana eny amin’ny Polyteknika Vontovorona na misy ihany aza ireo mpampianatra mampianatra eny an-toerana. Amin’ny 8 septambra 2015 indray vao hisy fivoriana hanapahan’ny mpampianatra izany.

Ankatso
Tsy ankiato ny hetsiky ny mpianatra. Nikasa hidina teo amin’ny toby fiantsonan’ny taksibe ireo mpianatra omaly, haneho ampahibemaso ny fitakian’izy ireo hiverenan’ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga ambony. Niatrana teny an-toerana ny Emmo-Reg.

Toamasina

Hanatanteraka fiofana mikasika ny zava-dratsy ateraky ny fidorohana zava-mahadomelina ao amin’ny Lycée technique Antanambao Toamasina miaraka amin’ny fanofanana Grassroots ny mpikambana ao amin’ny Ong Ny Sahy , Ramamonjisoa Haja (Formateur nankatoavin’ny Unodoc sy ny Confejes ary Rakotoniriana Léonce (Educateur formé par la Fifa)ao anatin’ny tetikasa Grassroots, ny faha-12 septambra 2015 ho avy izao.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT