Actualités

Tapaka teny Mahazoarivo Haato vonjimaika ny fampiakarana vidin-tsolika


  • Talata 21 Aogositra 2012

Noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika nampiharin’ny tobin-datsantsy Total, izay nihatra tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, dia namory ny tompon’andraikitra voakasikan’izany ny Praiminisitra Jean Omer Beriziky, teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo omaly alatsinainy 20 aogositra 2012.

 Nandray anjara tamin’ny fivoriana ny Minisitry ny vola sy ny teti-bola, ny Minisitra misahana ny solika, ny tale jeneralin’ny Total, ny tale jeneralin’ny OMH, ny Sekretera jeneraly ny GPM sy ireo teknisianina samy hafa avy amin’ny sehatry ny solika ary mpanolotsaina vitsivitsy avy ao amin’ny fiadidian’ny praiminisitra. Tapaka taorian’ny adihevitra maharitra fa hifanatona ny andaniny sy ny ankilany hitady marimaritra hiraisana, hamahana ny olana misy. Nanaiky ny tale jeneralin’ny Total fa haato vonjimaika ny fampiakarana vidin-tsolika alohan’ny fifanatonana izay atao amin’ity faran’ny herinandro ity. Marihina fa io fivoriana hatao io dia hiarahan’ny solontenam-panjakana, ny mpandraraha ara-tsolika rehetra, ny ministeran’ny fitaterana ary ny ministeran’ny vola sy ny tetibola.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT