Taorian'ny fiatoana naharitra roa volana, noho ny fihanaky ny valanaretina pesta dia efa miverina tsikelikely ny tolotra miavaka atolotry ny orinasa samihafa eto Madagasikara. Tsy diso anjara amin'izany ny Baolai izay ao anatin'ny fankalazan'ny faha-20 taona niorenany.
Manavao ny tolotra samihafa omeny ny mpanjifa ity tranombarotra amin’izao. «Misy entana maro samihafa lohalaharana amin'ny kalitao, izay hita etsy Soarano sy Analakely ary ao Bazar Be Toamasina. Anisan'izany ny «panneaux solaires» samihafa manana tanjaka 5 hatramin'ny 300W, izay ilain'ny eny ambanivolo sy amin’ny tanàn-dehibe manerana ny Nosy ary koa renivohi-paritany noho ny fahatapahan'ny herinaratra matetika vokatry ny toetr’andro”, hoy ny tompon'andraikitra. Ankoatra izay, vao nahatonga entana vaovao maro koa izy ireo, izay misy antoka herintaona avokoa.
Jean D.
Manintona ny olona amin’izao faramparan’ny taona izao ny lecteur Divx/dvd, subwoofer, fer à lisser, caméra de surveillance, synthétiseur, ...
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.