Nitombo avo roa heny ireo olona mararin’ny tazo mahery sy ny gripa ary ny aretin’ny taovam-pisefoana taorian’ny nandalovan’ny rivodoza AVA teto amintsika.
Saika voakasika avokoa ireo tobim-pitsaboana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana misy eto an-drenivohitra, aretina nateraky ny fiparitahan’ny viriosy taorian’ny nilatsahan’ny ranon’orana, raha araka ny fanazavan’ny dokotera iray. Ireo ankizy latsaky ny folo taona sy ireo zokiolona no tena nitondra faisana. Mahatratra folo isan’andro no tonga manatona tobim-pitsaboana raha efatra na dimy isan’andro teo aloha. Mitovy avokoa ny fomba fitrangan’ny aretina. Miakatra be ny hafanana, manao koho-maina, tsy mahita tory amin’ny alina, manaikitra ny vanin-taolana. Manoloana ity fiparitahan’ny viriosy mitondra gripa mahery sy tazo ity dia miantso ireo olona mikohoka ny mpitsabo mba tsy handrorarora fahatany eny rehetra eny hisorohana ny mety hifindran’ny aretina. Toraka izany koa ny fanatonana tobim-pitsaboana avy hatrany ho an’ireo tsy salama fa tsy hanao dokotera tenany mba tsy hivoaran’ny aretina ho lasa lavitra. Misy karazana kohoka manempotra ny ankizy ihany koa amin’izao fotoana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.