Oram-pahavaratra ihany no mirotsaka amin’izao fotoana izao raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny sampana famantarana ny toetr’andro.
Efa lasa lavitra any an-dranomasina ny rivodoza Cébile. Tsy mbola misy atahorana kosa ny hidirana rivodoza manaraka, araka ny fanazavana hatrany, raha ny sary voaray avy amin’ny zanabolana. tombanana hanodidina ny 17°C ka hatramin’ny 22 ° Ckosa ny marimpana manerana ny nosy. Miisa 3 eo ho eo hatrany moa ireo rivodoza miditra aty amin’ny fari-dranomasina indianina isan-taona, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.