Actualités

Taorian’ny raharaha FIGN Mifampiandry ireo samy kolonely sy jeneraly


  • Zoma 21 Mey 2010


“Aleo hihodina ny tantara fa mifampijery eto izahay samy miaramila.”. Io no tenin’ireo kolonely maromaro tafavory omaly nanoloana iny tranga teny amin’ny FIGN iny. Tezitra mihitsy moa ireto andiana kolonely ireto satria noho ny fanohanana an’i Andry Rajoelina no namoizana ny ain’ireo miaramila manamboniahitra lefitra. Raha tsy niseho ho nanafika tany amin’ny FIGN ny tarika notarihin’ny kolonely Lylyson sy Ravalomanana Richard tsy nisy ireny aina nafoy ireny. Tsy maintsy niaro tena izy ireo satria tafihana any an-tranony, hoy ireo kolonely.

Nanoloana ity tranga ity ary dia niteraka disadisa lalina teo anivon’ny miaramila izany. “Koa satria tsy miteny manoloana ireny tranga ireny ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika dia handray fepetra izahay”, hoy izy ireo. Mbola hodinihana anefa io satria tetikady miaramila tanteraka, hoy ihany izy ireo.
Tsara ny manamarika fa efa niala andraikitra tamin’ity fifandonana ity mihitsy ny jeneraly Razafindrakoto Bruno izay lehiben’ny zandary satria omaly alina dia efa lasa nihazo an’i Frantsa ny tenany. Tsy te ho diso eo anatrehan’ny tantara, hono, ity jeneraly ity araka ny voalazan’ireo nanakaiky azy.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT