Actualités

Taorian’ny BANI Nohamafisina ny fiarovana an’i Andry Rajoelina


  • Talata 30 Novambra 2010


Mailo amin’ny fiarovan-tenany ny filohan’ny FAT taorian’ilay raharaha teny amin’ny BANI iny. Tamin’ny herinandro lasa dia efa tsikaritry ny maro fa izay toerana rehetra nandehanany dia misy «piquet», mila ho isaky ny 20 metatra. Teo am-piandohana aza dia Polisy no maro nisahana izany. Ny sabotsy hariva teo raha nidina teny Analakely nijery ny lapan’ny tanàna i Andry Rajoelina, feno miaramila hatrany Ambondrona. Rehefa hamonjy an’Ambohitsorohitra indray, ankoatra ireo «piquet» dia ny fiaran’ny FIS no mialoha lalana sady mijanona mihitsy rehefa misy fiolanana manajanona ireo fiara rehetra mandalo. Ny FIS sy ny «garde présidentielle» rahateo no ianteheran’ny filohan’ny FAT raha tarafina tamin’iny zava-nitranga ny sabotsy 20 novambra iny. Ireo antoko miaramila ireo rahateo no nahasahy niditra ka nanafika tao amin’ny BANI nisamborana ireo manamboninahitra 16 nitoby tao, rehefa nihenahena tsy niditra an-tsehatra ny tafika.

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT