Actualités

Taona 2017 Ratsy fiatomboka


  • Zoma 13 Janoary 2017

Zandary iray sahady no namoy ny ainy vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo tamin’ny fiandohan’ity taona 2017 ity.

 

 Vokatry ny tsy fahampian’ny rotsak’orana dia niha ritra ihany koa ny ranon’Ikopa ankoatra ireo any amin’ny faritra sy ny ao Mantasoa izay efa nanomboka tamin’ny taon-dasa. Vokatr’io tsy fahampian-drano io no antony mahafaty ireo karazan-trondro sasantsasany sy tsy azo hanjifana azy ireny, araka ny fanazavana azo avy eo amin’ny minisiteran’ny jono. Miha mafy ihany koa ny fahatapahan-jiro amin’ireo faritra maro eto Antananarivo, toa an’i Soanierana sy Antanimena ary Betongolo. Ho an’ny any amin’ny faritany aza moa dia voadoro vokatry ny hatezeram-bahoaka any an-toerana sahady ny Jirama ao Andapa, raha ny vaovao tamin’ny faran’ny herinandro teo. Fitaovana fampitana angovo na « transformateur » roa ihany koa no may vokatry ny hafanana tafahoatra nihatra tamin’ny Jirama ao Ambositra sy ao Anosibe Mandrangobato. Vao omaly maraina tamin’ny 1 ora mahery kely moa dia nihorohoro mihitsy ny tany satria dia horohorontany nahatratra 5,5 eo amin’ny mari-drefy Ritchter no heno hatraty an-drenivohitra tamin’io mangiran-dratsy io.

Mirija    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT