Actualités

Taona 2017 Ho avy masiaka ireo mpiaro faritra arovana


  • Alatsinainy 02 Janoary 2017

Mirongatra be ny fahapotehan’ny tontolo iainana eto Madagasikara.

 

Tsy mahamenatra ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany tsy ara-dalàna intsony mihitsy mantsy ny miditra any amin’ireo faritra arovana, hoy ny FAPBM (Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar). Sarotra rahateo ny manakana ireto mpandroba harem-pirenena ireto raha tsy misy ny fanampiana sy tohana avy amin’ny fanjakana mahefa sy ireo mpampiasa vola vahiny, araka ny fanazavan’ireo fikambanana mpiaro ala fady eto Madagasikara. Ho avy masiaka anefa ireto farany manomboka amin’ity taona vaovao 2017 ity, araka ny voarakitra ao anatin’ny fifanarahana natao sonia tamin’iny faran’ny taona 2016 iny. Hanokana vola 2 tapitrisa dolara na 6 miliara ariary moa ny fikambanambe mpiaro ireo faritra arovana, ireo biby sy zavamaniry eto Madagasikara sy ireo mpitantana ala fady manerana ny nosy. Hisitraka io famatsiambola io ny velarana 3.275.348 ha ao anatin’ireo toerana voaaro miisa 36.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT