Actualités

Taona 2016 Nandamoka ho an’ny vahoaka Malagasy


  • Sabotsy 07 Janoary 2017

Taonan’ny asa ny 2016, hoy ireo mpandaha-teny nifandimby teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly.

 Nasiana tsindrim-peo manokana tamin’izany ny fampiantranoan’i Madagasikara ireo fivoriana iraisampirenena, indrindra ny fihaonana tampon’i Frankofonia andiany faha-16 tamin’ny volana novambra. Miandry vokatra azo tsapain-tànana mipaka amin’ny fiainana andavanandrony anefa ny vahoaka Malagasy, hoy ny mpitondra tenin’ireo masoivoho vahiny sady filoha lefitra faharoan’ny ambasadaoro diplomatika Caabi Elyachroutou Mohamed. Antenaina hisy fiantraikany amin’ny isan-tokantrano amin’ity taona 2017 ity ny akon’ny ezaka nataon’ny fitondrana mpanatanteraka tamin’iny taona 2016 iny, hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max. Tokony hajaina fatratra kosa ireo fepetra ahafahan’ny mpiray tanindrazana misitraka haingana ilay famatsiambola goavana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka, hoy ny filohan’ny Antenimieran-doholona Rakotomanana Honoré. Niaiky ihany koa ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier fa tsy mbola tonga any amin’ny vahoaka ny fiotazana ireo vokatra tamin’ireo hetsika maro notanterahan’ny ny governemanta vonona hiatrika ady tao anatin’ny volana vitsy nijoroany. 

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT