Ny fiandohan’ny taona tahaka izao no hipoiran’ireo karazana faminaniana maro samihafa avy amin’ireo mpaminany isan-tsokajiny.
Amin’ny ankapobeny dia ny faharendrehan’ny fitondrana FAT no ambaran’izy ireo izay notsindriany fa tsy maintsy hirodana noho ny tsy nety nataon’ireo tompon’andraikitra maro samihafa ao anatiny. Anisan’izany ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Nalaza tamin’izany ny fanondranana ny andramena an-tsokosoko, ny fanomezana vahana ireo vahiny hanjaka eto amin’ny tanintsika... Ankoatra izay faharavana izay dia tompon’andraikitra maromaro amin’izao fotoana izao no hanao sesitany ny tenany.
Ho an’i Aina etsy Itaosy kosa indray anefa dia ny fitsaboana sy hanasitrana olona maro no hitany tamin’ny faminaniana fa adidy tsy maintsy hiantsorohany amin’ity taona vaovao ity. Efa manomboka sahady izany, hoy izy satria olona voan’ny Ambalavelona am-polony no sitrany ny alatsinainy teo, izay efa hitany tamin’ny fahitany avokoa. Toy izany koa ny namerenany lehilahy nanary ny vadiny aman-janany tao anatin’ny herintaona. Fiara very maromaro ihany koa no nambarany fa tafaverina tamin’ny tompony tao anatin’ny herinandro ny faran’ny taona teo, izay ny kalanorony ihany no nahita azy. Ireo rehetra ireo no hilazany fa ny fanahy izay mitoetra ao aminy dia nanambara fa hirona amin’ny fanasitranana sy ny fanampiana ny mpiara-belona ny asany amin’ity taona ity mba ho fanasoavana ny mpiara-belona.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.