Actualités

Taom-baovao malagasy -fikambanana Fitohasina Nitso-drano ireo mpikarakara ny raiamandreny ara-drazana


  • Alarobia 18 Martsa 2015

Hotanterahina ny 20 ka hatramin’ny 22 martsa ho avy izao ny taom-baovao Malagasy karakarain’ny fikambanana Fitohasina sy ny trano koltoraly Malagasy. Tonga nitso-drano azy ireo tetsy amin’ny hotel Colbert omaly ireo raiamandreny ara-drazana avy any amin’ny faritra 22 toy ny avy any amin’ny faritra Antanala, ny mpanjaka avy any amin’ny faritra

 

Boeny…Sarobidy ny fihavanana, hoy izy ireo ary noho io antony io no nanosika azy ireo hanohana ny fikarakarana ny taom-baovao Malagasy izay nomarihiny fa tsy an’Imerina irery na ho antsika eto Antananarivo irery fa an’i Madagasikara iray manontolo. Etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely  no hanokafana izany ny 20 martsa ho avy izao manomboka amin’ny 10 ora maraina. Hanomboka amin’ny 3 ora hariva kosa ny fitondrana ny afo tsy maty amin’ny alalan’ny diabe mihazo ny foibe trano koltoraly Malagasy  Ikianja Ambohimangakely ary hiverina etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ihany ny andron’ny 22 martsa, fotoana famaranana ny hetsika.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT