Actualités

Tany miaramila Nozarazaraina samy hanana


  • Talata 24 Aogositra 2010

Ara-bakiteny indray io eo anivon’ny miaramila raha ny feo re sy ny zavatra hita. Tsy eto Antananarivo ihany fa na any amin’ny faritra ihany koa aza dia fantatra izao fa tsy voaaraka intsony ny lalàna mifehy ny tany miaramila.

Efa notaterina teto ny mikasika ny “Cité des officiers” ao Ampasimazava Toamasina, izay nomena ny orinasa tsy miankina Tsaravintana ho takalon’ny asa fanarenana ny Toby 1/RM3 ao amin’ny Camp Chanaron. Raha ny lalàna misy eo anivon’ny foloalindahy Malagasy dia mazava ny voasoratra fa «tsy azo amidy na atakalo ny fananan’ny foloalindahy Malagasy». Toraka izany koa ny eto Antananarivo. Toerana telo no fantatra aloha hatreto fa voakasik’io, dia ny eny Fort Voiron, Ivato ary eny Ambohijanaka eny. Toa nihazakazahana mihitsy ny namariparitra ny tany tamin’ireo toerana ireo ary saika manamboninahitra no nahazo azy ary efa misy manorin-trano mihitsy ny sasany amin’izy ireny. Ary raha samy manamboninahitra moa haninona, fa misy fitanilana izy ity raha atao jery ankapobeny satria saika ireo manamboninahitra avy any anindran-tany no nahazo izany. Ho fanambatambazana ? Ny lojikan’izay dia tsotra, tsy horesahina ny resaka lalàna voahosihosy na tsia, fa ny fanorenan-trano na fotodrafitra amin’ny tany dia midika fa ho mpandoa hetra amin’ny Kaominina izay iorenany ny tompon’io trano io. Ivato raha any ilay tany, Antananarivo renivohitra raha eny Fort Voiron ary Ambohijanaka ho an’ny eny.

Hetran-trano ny voalohany, manaraka ny tamberim-bidy alain’ny Kaominina amin’ny Jirama, sns. Rehefa miditra ny hetra dia hiteraka fampandrosoana ho an’ilay Kaominina izany. Koa aoka hazava ny resaka, manoloana ny resabe ilazana fa miangatra ny mpitondra nifandimby teto, tsy mba nampandroso ny any amin’ny Faritra izay nobangoina ho anindran-tany. Satria dia porofo iray ny toy itony ; mivangongo manao trano aty an-drenivohitra ny manampahaizana sy ny manambohinahitra avy any amin’ny Faritra rehefa misy ny enti-manana. Izany hoe mampitombo ny hetra ampidirin’ny Kaominina sy ny Faritra iorenany. Ny hetra anefa no loharanom-bola voalohan’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana hisahanany ny asa fampandrosoana, koa aza gaga raha ny Kaominina sy ny Faritra mandroso ihany no handroso. 

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT