Taorian’ny fahalanian’ilay volavolan-dalàna mikasika ny fananantany teny anivon’ireo parlemantera ny herinandro teo dia tsikaritra ho nirongatra ny ady tany teto amin’ny firenena.
Teo ihany ireo ady azo heverina hosetraina tantsaha madinika amina teratany vahiny, toy ny Sinoa, izay nitranga tetsy Ivandry. Fa ao indrindra koa ireo miantraika mivantana amin’ireo tanim-panjakana. Nametrahan’ny avy eo anivon’ny filankevitry ny fampihavanam-pirenena na ny CRN fitoriana teny anivon’ny Bianco, ohatra, ny mikasika ny raharaha Villa Elizabeth sy ny torapasik’i Toliara. Mampiroaroa saina ny mpanara-baovao ihany koa anefa ny mikasika ilay ZES na “Zone economique speciale”. Araka ny fanazavan’ny tale jeneraly misahana ny fananantany, Hasimpirenena Rasolomampionona, dia tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe tany manana sata manokana izy io. Amin’ny maha tanim-panjakana azy dia tsy amidy fa azo hampanofaina. Tsy voatery ho teratany vahiny no afaka manofa. Tsy mihoatra ny 30 taona kosa anefa ny fifanarahana voalohany ary anjaran’ny fitondram-panjakana indray avy eo no mijery na tokony hotohizana ny fiaraha-miasa. Tsy ampy ny asa misy eto amintsika kanefa be ireo tanora tsy an’asa. Fomba iray ahafahana mampiroborobo ny fifanarahana ara-barotra sy mamorona asa ho an’ny tanora io. Anisan’ny tena goavana ao anatiny koa ny fampitomboana ny fampidiran-ketra. Toy ny orinasa mitsangana rehetra dia hihatsara ny endriky ny tanàna rehefa tafapetraka ireo fotodrafitrasa. Anisan’izany ny ao Taolagnaro, izay ngazana dia ngazana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.