Actualités

Tany avaratra Fiaraminidina lehibe roa saika nifandona


  • Alarobia 25 Aogositra 2010

Loza no saika niseho tany amin’ny faritra avaratry ny nosy omaly. Fiaramanidina roa izay samy nitondra olona an-jatony no saika nifandona noho ny tsy fahamalinan’ny mpanamory ny iray tamin’izy ireo.

Raha araka ny fantatra dia nanomboka nidina tsikelikely ny fiaramanidina iray rehefa tafiditra tao avaratr’i Madagasikara kanefa tsy nahazo alalana tamin’ny «tour de contrôle» avy eto an-drenivohitra. Tao anatin’izany anefa dia nisy fiaramanidina iray hafa nandeha tao anatin’ny lalana tokony hizorany. Saika nifandona ireo raha tsy niasa ny fitaovana fanairana rehefa misy zavatra mifanakaiky amin’ny fiaramanidina. Antsoina hoe TCAS izy io ary avy hatrany dia naneno tao amin’ny fiaramanidina iray. Raikitra teo ny fanairana ary niantso avy hatrany ny «tour de contrôle» ny mpanamory. Teo indray dia niezaka ny niantso ilay mpanamory ny fiaramanidina faharoa ny tao amin’ny «tour». Azo ihany io ka teo vao samy nanamboatra ny lalany ireo fiaramanidina roa. Efa vita ny tatitry ny «tour de contrôle» eo anivon’ny «aviation internationale» momba ity tsy fanajana ny lalàna velona mahakasika ny fitaterana ana habakabaka ity. Heverina, araka izany, fa hosaziana ny kaompania misy ilay fiaramanidina iray ary hajanona amin’ny asany koa ilay mpanamory voakasik’izany. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT