Anisan'ireo Distrika voa mafy tamin'ny fandalovan'ny rivodoza « Enawo” ny Distrikan'Ambatolampy.
Tsy nitazam-potsiny ireo vahoaka traboina tany an-toerana ny fitondram-panjakana fa nitondra tohana ho azy ireo, indrindra ny lafiny fambolena. Kaominina miisa 8 amin'ireo 19 ao anatin'ity distrika ity no nomena tohana zezika sy masomboly katsaka dia i Behenjy, Ambohimpihaonana, Tsiafajafona, Andravola-Vohipeno, Ambatolampy, Morarano, Manjakatompo ary Antanamalaza. Nandray anjara betsaka tamin'ny fahazoan'ny tantsaha izao fanampiana izao ny Faritra satria heverina fa hitondra fivoarana, indrindra eo amin'ny ara-teknika amin'ny fampitomboana ny vokatry ny fampiasana ny zezika biolojika. Zezika milanja 6 taonina fanampin'ireo 3 taonina efa lasa tany aloha no natolotra ka tao Behenjy, Ambatolampy ary Ambohimpihaonana no nananterahana izany.
Caius R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.