Actualités

Tantsaha sy mpiasan’ny AAA – Antsirabe Voadaroka lakrimozenina, 5 naratra


  • Alatsinainy 26 Febroary 2018

Nanao hetsika ho fitakiana ny fanokafana ny orinasa AAA ny sabotsy lasa teo ireo mpiasa sy mpitantana tao Antsirabe tampon-tanàna, notronin'ireo tantsaha maro avy amin'ny faritra vakinankaratra iny ary ireo solombavambahoaka voafidy tao Antsirabe voalohany sy faharoa.


Araka ny fangatahan'izy ireo dia efa tontosa avokoa ny taratasy rehetra na ny fepetra ara-teknika notadiavina tamin'ity orinasa nakatona ity nefa mihenahena tsy mety mamaly ny minisitera. Raha tsiahivina mantsy dia izay antony izay no nahatonga ny prefektioran'i Vakinankaratra nanakatona ity orinasa ity nefa ankehitriny dia tombontsoa ara-bola sy ara-tsosialy maro no voka-dratsy naterak'izany fanapahan-kevitra izany. Fanontaniana miverimberina ho an'ireo nandray anjara fitenenana ny hoe nahoana ny orinasa Malagasy mampiasa olona maro ary miteraka fampandrosoana ny faritra no atao toy izao mitaha amin'ireo orinasa vahiny sasany tsy manaraka ireo fepetra nolazaina fa tsy ananan'ny orinasa AAA tany am-boalohany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana avy amin'ny emmo-reg nanakatona ny vavahady sy tsy namela ireo mponina liana amin'ny hetsika hivezivezy miditra sy mivoaka tao anatin'ilay toerana ka nahatezitra ireto farany noho ny tsy fisian'ny fahalalahana hiteny sy haneho hevitra intsony. Nikisaka ihany ireo mpitandro ny filaminana ka namonjy ny arabe nandamina ny fifamoivoizana. Nivoaka ihany koa ireto mpanao hetsika nanary ny ronono teo amin'ny arabe ka raikitra avy hatrany ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso nanomboka tamin'ny 11ora antoandro teo ka tsy nijanona izany raha tsy tany amin'ny 1ora tolakandro, izany hoe naharitra ora telo be izao. Olona dimy no naratra ka ny efatra avy amin'ireo mpanao fitakiana ary ny iray kosa mpitandro ny filaminana. Mbola hitohy ny hetsika araka ny voalazan'ny tale jeneralin'ny AAA, Lanto Rabenatoandro ary efa tsy lafiny teknika intsony ity raharaha ity raha ny voalazany fa efa ara-politika mihitsy ka ho hita eo ny fivoaran'ny toe-draharaha any an-toerana.

 


 

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT