Actualités

Tantsaha mpamokatra Manomboka ifanotofan’ireo orinasa Malagasy


  • Alatsinainy 11 Mey 2015

Tsy vitsy ireo orinasa Malagasy mitady hevitra entina hanasoavana ireo tantsaha mpamokatra amin’izao. Ho an’ny orinasa Royal Spirits manokana izay mpamokatra zava-pisotro misy alikaola avo lenta dia hisy ny fiaraha-miasany amin’ny Mahavitasoa any Fianarantsoa manomboka izao amin’ny famokarana voaloboka entina hanamboarana ny divay.

 

 Tanjona ny hahafahana manatsara hatrany ny vokatra hatolotra ny mpanjifa noho ny hamaroan’ny mpifaninana raha araka ny fanazavan’Andriamatoa Tolotra Fanantenana, tompon’andraikitra ara-barotra ao amin’ny orinasa. Toraka izany koa ny fitadiavana hatrany ireo karazam-bokatra mamaly ny filàn’ny mpanjifa no sady manaraka ny fivoaran’ny toetr’andro. Vokatra farany navoakan’izy ireo ohatra ny Volcoves amin’ny tsiron’ny voasary makirana izay manampy ireo olona manana olana amin’ny tsinay amin’ny resaka fandevonan-kanina.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT