Actualités

Tantely afa-drakotra ny harem-pirenena Safira milanja 14 kg navoaka an-tsokosoko


  • Alarobia 11 Aogositra 2010

Ny alin’ny zoma 06 aogositra no niaingain’ity vatosoa sarobidy ity teto Madagasikara. Ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato no nandalovany. Nandalovana ara-bakiteny tokoa satria sady tsy nandalo “scanner” no tsy nosavaina ny entana nisy azy fa dia lasa tsy niteniteny.

Thailandey lahy no nitondra azy. Ny nanaitra ny teny an-toerana dia hentitra tokoa ny fiarovana ity vahiny ity. Na tamin’ny andro nahatongavany teto Madagasikara na tamin’io nialany teto io mantsy dia hentitra ny fiarovana azy, mpiambina manokana toy ireny mpiambina olona ambony amin’izao fitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita izao, no niaro azy. Fiara avo lenta, araka izany, no nakana sy nanaterana azy teny Ivato. Ny alin’ny talata 03 aogositra manodidina ny tamin’ny 11 ora no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato io Thailandey io, niaraka tamin’ny fiaramanidin’ny Air Madagasikara MD 019 amin’ny zotra mampitohy an’i Singapour amin’Antananarivo. Ny zotra MD 018 mihazo an’i Singapour sy Bangkok indray no noraisiny ny alin’io zoma 06 aogositra io, tokony ho amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Tsy nisy resaka tsy nisy kabary fa dia nandalo sy niserana ny entany, tsy nandalo fisavana na koa “scanner”. Araka ny loharanom-baovao akaikin’ny seranana anefa dia safira milanja 14kg be izao no entan’ity Thailandey ity.

Ankoatra ny lalàna dia fanontaniana mipetraka eto ny hoe : iza ity vahiny ity no nanana zo hahazo fiarovana hentitra tokoa ary nampiasana fiara mpitondra olona ambony amin’izao fitondrana FAT izao ? Fa iza ity Thailandey ity no manana zo tsy ho savaina ny entany, raha mbola zo koa no azo ilazana azy ? Mpandraharaha mpividy vato sa mpamita iraka izy io ? Nentina aiza io vato io ? Hatreto mantsy, na natao aza ny fikaroham-baovao, dia tsy mbola nandrenesana fahatratrarana vato sarobidy avy aty Madagasikara tany Azia atsimo atsinanana tany. Na izany aza dia mampiahiahy ny fomba namoahana sy nandefasana ilay safira. Andrasana raha hisy ny mangarahara mikasika azy io, satria dia be loatra ny harem-pirenena miala an-tsokosoko eto Madagasikara eto. Raha somary tonitony ny “bois de rose” dia mandeha koa izany izao ny safira, ary saika any Azia atsimo atsinanana avokoa no iantefany. Araka ny fantatra dia avy eto Madagasikara ny 15%-n’ny safira vokarina eran’izao tontolo izao, ary mbola i Madagasikara no tombanana fa firenena voalohany mpamokatra safira eran-tany ary avo karazana ny safira malagasy.
 
Lafo vidy tokoa raha ity farany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Manodidina ny 1200 dolara eo ny «once» iray, na iray hetsy ariary ny iray grama. Raha atao izany ny kajikajy dia 1400 tapitrisa ariary no tentim-bidin’ity safira lasa ity. Izany hoe mahazo lay misy ody moka 467.000 isa, azo iarovana Malagasy efatra hetsy mahery amin’ny tazomoka, na koa mahazo daozina vaksiny miisa 140.000 eo hiarovana ny zaza latsaky ny dimy taona amin’ny aretin’ny lefakozatra, raha toa ka miditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny vidin’io vato sarobidy io. Raha tsy izay anefa no misy dia mazava fa mitohy izany ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary mitohy hatrany ihany koa ny fampahantrana ny Malagasy 20 tapitrisa. Raha ny vinavinan’ireo mpanao politika midinika eny Ivato hatramin’ny alatsinainy 09 aogositra teo anefa dia mbola hotohizana hatramin’ny taona 2011 aorian’ny fahavitan’ny fanadinana ara-panjakana rehetra ny tetezamita amin’izao endriny ankehitriny izao.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT