Namoaka fanambarana ihany omaly ireo tanora marobe mivondrona anaty fikambanana maro samihafa eto amintsika notronin’ireo olom-pirenena saro-piaro amin’ny tanindrazany. Anisan’ireny ny Yali Madagascar, ny Green and Kool…
Nambaran-dRandriarimalala Herico mpitondra tenin’izy ireo tamin’izany fa anisan’ny antony hitoloman’izy ireo ny mba hahafahan’ny zaza Malagasy rehetra mianatra ka hahatongavan’ny tsirairay avy eny amin’ny anjerimantolo. Mbola lavitr’izany mantsy isika eto Madagasikara fa saika mijanona aorian’ny fahafahany fanadinana CEPE avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra. Toraka izany koa ny ady amin’ny tsy fananan’asa izay miitatra amin’ny ankamaroan’ny tanora ka manosika azy ireny hanaotao foana. Mangataka ireo solombavambahoaka 73 mianadahy mba hanohy hatrany ny ady amin’ny kolikoly miseho eto amin’ny firenena araka izany izy ireo no sady hamoaka izay marina mahakasika ny ZES ihany koa, ady iarahan’ny rehetra manana. Toherin’izy ireo kosa anefa fanapahan-kevitra tsy mifanaraka amin’ny lalam-panorenana. Nomarihin’ireo fikambanan’ny tanora maromaro ireo moa fa tsy ekeny ihany koa ny fanaovana fitaovana pôlitika ny tanora Malagasy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.