Actualités

Tanora Miantsehatra Mitohy ny hetsika fizarana Baiboly


  • Alarobia 09 Septambra 2015

Mila mametraka ny fiainana amin’Andriamanitra ny Malagasy, hoy Randriamahefa Benjamina filohan’ny fikambanana TAMIA na TAnora MIAntsehatra, raha tiana ny hisian’ny filaminana sy ny fitoniana eto amin’ity firenena ity.

 

 Halavirina miaraka amin’izany koa, hoy izy, ny fitiavan-tena izay sakana lehibe hirosoana amin’ny fampandrosoana marina. Mila averina hanakaiky an’Andriamanitra Tompo Mpamonjy ny olona aminy ka izany no nanatanterahan’ny TAMIA hetsika fizarana baiboly manerana ny Nosy. Natomboka teto Antananarivo izany ary notohizina avy hatrany tany Toamasina tamin’ny herinandro lasa teo. Tao Dépôt Analakininina no voalaza fa nanatanterahana izany izay nahafaly sy naharavo ny tonga naka ny anjarany fa mba ho afaka amin’izay mamaky samirery ny tenin’Andriamanitra. Misoko mangina ny hetsika fanaovana asa soa fanaon’ity fikambanana ity araka ilay filamatry ry zareo manao hoe : “manome tsy misy takalony” sady ady amin’ny fitiavan-tena rahateo.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT